Pisga
(Pisgà).
Tendrony avaratra amin’ny tandavan-tendrombohitr’i Abarima (eo atsinanan’ny Ranomasina Maty). Tsy fantatra izay tena nisy an’i Pisga. Misy milaza anefa hoe i Ras es-Siyagah i Pisga, ary mifanaraka amin’ny Baiboly izany. Voditanety mandroso ao anaty ranomasina i Ras es-Siyagah, tokotokony ho 16 km any atsinanan’ny fivarinan’i Jordana mankao amin’ny Ranomasina Maty. Eo avaratrandrefana kelin’i Jebel en-Neba i Ras es-Siyagah, ary tendrombohitra lazain’ny lovantsofina fa ny Tendrombohitra Nebo (Hara Nevo) i Jebel en-Neba.
Izay resahin’ny Baiboly momba an’i Pisga dia mifanentana amin’i Ras es-Siyagah sy Jebel en-Neba, izay sarahin’ny lempona iray. Iva kokoa i Ras es-Siyagah, izany hoe misy 100 m eo ho eo ny elanelany amin’i Jebel en-Neba. Izy no akaiky kokoa an’i Jeriko. Tazana tsara avy eo ny Ranomasina Maty (1000 m eo ho eo any ambany), sy ny Lohasahan’i Jordana, sy ny tandavan-tendrombohitra misy an’i Hebrona sy Betlehema ary Jerosalema, ary koa ny Tendrombohitra Hermona (160 km mahery any avaratra).
Ao amin’ny fitanisana ny toerana nitobian’ny Israely, tamin’izy ireo hiditra ny Tany Nampanantenaina, no ahitana firesahana voalohany momba an’i Pisga. (No 21:20) Teo amin’ny faritra atsimon’ny tany azon’ny Israelita tamin’ny Amorita izy io. Niady tamin’ny Amorita mantsy izy ireo, satria tsy navelan’i Sihona Mpanjaka handalo tao amin’ny taniny. (De 4:46, 49; Js 12:1-3) Tatỳ aoriana, dia nentin’i Balaka mpanjakan’i Moaba “nankeo amin’ny sahan’i Zofima teo an-tampon’i Pisga” i Balama mba hanozona ny Israelita, saingy tsy nahomby.—No 23:14.
Ny tena ahatsiarovana an’i Pisga anefa dia hoe teo i Mosesy no nitazana ny Tany Nampanantenaina talohan’ny hahafatesany. (De 3:27; 34:1-3) Anisan’ny anjara tanin’ny fokon’i Robena i Pisga.—De 3:16, 17; Js 13:15, 20.
Miaraka amin’ny hoe “teo an-tampon’i” na “ny tehezan’i” foana ny hoe Pisga isaky ny miseho ao amin’ny Baiboly. Izany no antony iantsoana azy matetika hoe Tendrombohitra Pisga, na dia tsy milaza izany aza ny Soratra Masina.