Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pisidia

Pisidia

(Pisidìa).

Faritra afovoan-tanin’i Azia Minora, teo amin’ny ilany atsimo. Be tendrombohitra tany, ka anisan’izy io ny ilany andrefan’ny Tandavan-tendrombohitra Taurus. Teo avaratr’i Pamfylia sy teo atsimon’i Frijia any Galatia no nisy an’i Pisidia, ka i Karia sy Lykia no teo andrefana ary i Lykaonia no teo atsinanana. Voalaza fa 190 km teo ho eo ny lavan’ilay faritra avy any atsinanana hatrany andrefana, ary 80 km teo ho eo ny sakany. Be tendrombohitra avo tany, ary maro ny lohasaha sy renirano teny an-tsefatsefak’ireny tendrombohitra ireny. Nisy ala sy kijana firaofana ahitra koa tany.

Bibibiby toetra sy tia ady ny mponin’i Pisidia, ka nahitana andian-jiolahy mpandroba isam-poko. Sarotra fehezina ireo mponina an-tendrombohitra ireo, ka tsy mora nanaraka ny kolontsaina grika na romanina. I Amyntas mpanjaka galatianina no nasain’ny Romanina nifehy azy ireo, saingy mbola tsy vitany akory izany dia maty izy. Nataon’ny Romanina ho anisan’ny faritanin’i Galatia, i Pisidia tamin’ny taona 25 T.K., ary nasiana toby miaramila mba hanara-maso ny vahoaka tany amin’ireo zanatany teo amin’ilay faritra, tamin’ny taona 6 T.K. I Antiokia, tanàna teo amin’ny sisin-tany nanelanelana an’i Pisidia sy Frijia, no nifehy an’ireny zanatany ireny. (Jereo ANTIOKIA No. 2.) Tamin’ny taona 74, dia natambatra ho faritany romanina iray tamin’i Pamfylia sy Lykia ny faritra atsimon’i Pisidia. Mbola anisan’ny faritanin’i Galatia ihany anefa ny ilany avaratra. Lasa anisan’ny faritany vaovao iray nantsoina hoe Pisidia io ilany avaratra io, taorian’ny andron’ny apostoly.

Nandalo tany Pisidia ny apostoly Paoly, tamin’ny dia misionera voalohany nataony. Avy tany amin’ny morontsirak’i Pamfylia izy no namakivaky an’i Antiokia, any Pisidia. (As 13:13, 14) Nandalo tany Pisidia koa izy tamin’ny diany niverina. (As 14:21, 24) Ireo andian-jiolahy sy ny renirano nisasasasa avy any an-tendrombohitra tamin’iny faritra iny angamba no nahatonga an’i Paoly hiresaka momba ny “loza tamin’ny renirano” sy ny “loza tamin’ny jiolahy.”​—2Ko 11:26.