Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pisona

Pisona

(Pisôna) [mety hidika hoe Miely Kokoa].

Anisan’ireo renirano efatra nisampana avy tamin’ilay “renirano nivoaka avy tao Edena.” Nihodidina ny faritr’i Havila manontolo ny Reniranon’i Pisona avy eo. Faritra voalaza fa niavian’ny volamena sy vato oniksa ary dity avy amin’ny hazo matambelo io Havila io. (Ge 2:10-12) Renirano samy hafa no lazain’ny olona hoe Pisona, manomboka amin’ireo renirano any atsinanan’i Torkia ka hatrany amin’ny Reniranon’i Gange any Inde.

Milaza ilay lahatsoratra hoe EDENA No. 1 fa mety ho ilay Safodrano naneran-tany no nanafoana tanteraka an’ireo porofo amantarana ny Reniranon’i Pisona sy Gihona. Mety ho mbola nisy kosa ireo renirano ireo sady mbola fantatra tsara, tamin’ny fotoana nanoratan’i Mosesy ny Genesisy. Niresaka momba ny “faritr’i Havila” sy ny “tanin’i Kosy” i Mosesy. Tsy midika anefa izany fa nantsoina hoe Havila na Kosy ireo faritra ireo talohan’ny Safodrano. (Ge 2:13) Azo inoana kosa fa anaran’ireo faritra ireo taorian’ny Safodrano ny hoe Havila sy Kosy. Niresaka momba azy ireo i Mosesy, satria toerana be mpahalala izy ireo tamin’izany fotoana izany. Tsy ny Safodrano ihany no mety ho nanova ireo renirano, fa eo koa ny horohoron-tany. Mahavita mampivily lalana renirano ny horohoron-tany. Mety tsy ho hita intsony mihitsy aza ny ampahany sasany amin’ny lalana narahin’ilay renirano. Nety ho nisy horohoron-tany àry tany taorian’ny Safodrano, satria toerana be horohoron-tany ny faritra atsinanan’i Torkia, izay heverina fa nisy an’i Edena.​—Jereo HAVILA No. 1.