Pitoma
(Pitoma) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Tranon’i [Tempolin’i] Atoum”].
Iray amin’ireo tanàna roa fitehirizana entana sy vokatra naorin’ireo Israelita andevo tany Ejipta. I Ramesesa ilay tanàna iray hafa. (Ek 1:11) Tsy fantatra marina hoe taiza no nisy an’i Pitoma. Toa nisy vokany teo amin’ny fanatsoahan-kevitr’ireo mpikaroka, ny fiheverana hoe Ramsès II ilay Farao nampahory ny Israelita. Tsy tena mitombina anefa io fiheverana io.—Jereo RAMESESA.