Poarô
[Heb.: hatsir].
Anisan’ny sakafo nampanembona ny olona samihafa firenena sy ny Israelita tany an-tany efitra. (No 11:4, 5) Mety ho iray ihany ny fototeny niavian’ny hoe hatsir (heb.; “poarô”) eo sy ny teny mitovy aminy nadika hoe “ahitra.” (Is 40:7, 8) Miara-voatonona amin’ny tongolobe sy tongolo lay (zavamaniry mitovy amin’ny poarô) anefa izy io eo, ka tsy ahitra amin’ny ankapobeny fa legioma. Be mpitia koa ny poarô tany Ejipta fahiny, ary mbola hanin’ny olona any Ejipta sy Palestina izy io.
Hoatran’ny tongolo ny poarô (Allium porrum) saingy tsy dia masiaka, boribory lavalava, be ranony, ary lehibe ny raviny izay 2,5 sm eo ho eo ny sakany. Mety hahatratra 60 sm eo ho eo ny tahony, ary eo an-tendrony ny voninkazo mitangorona boribory be. Mamoa isaky ny roa taona ny poarô. Andrahoina toy ny legioma na atao laron-tsakafo ny vodiny sy raviny, nefa hanina manta koa.