Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Poha

Poha

(Pòa).

Misy roa ny anarana hebreo hoe Poha. Mitovitovy izy ireo saingy ny iray milaza lahy ary ny iray milaza vavy. Samy hafa ny dikan’izy ireo. Mitovy anefa ny fomba fanoratra azy amin’ny teny grika sy amin’ny teny hafa.

1. [Poʼah]. Zanakalahy faharoa naterak’i Isakara.​—1Ta 7:1; jereo POVA.

2. [Poʽah]. Vehivavy hebreo mpampivelona. Nibaiko an’i Poha sy Sifra mpampivelona i Farao mba hamono ny zazalahikely hebreo vao teraka rehetra. Natahotra an’Andriamanitra anefa i Poha, ka navelany ho velona ireo zazalahy. Notahin’i Jehovah àry izy ka nomeny ankohonana.​—Ek 1:15-21.

3. [Poʼah]. Rain’i Tola Mpitsara, ary zanakalahin’i Dodo avy amin’ny fokon’i Isakara.​—Mpts 10:1.