Ponona
(Ponôna).
Toerana iray nitobian’ny Israely, teo anelanelan’i Zalmona sy Obota, rehefa niala teo amin’ny Tendrombohitra Hora (Jebel Madorah [?]) izy ireo. (No 33:41-43) Tsy tena fantatra izay nisy an’i Ponona. Maro anefa no milaza azy io ho i Feinan, tokotokony ho 30 km any atsimoatsinanan’i ʽAin Hosb.