Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ponto

Ponto

(Pònto) [Ranomasina].

Faritra iray teo amoron’ny Ranomasina Euxin (Ranomasina Mainty), tany amin’ny ilany avaratr’i Azia Minora. Talohan’ny andro kristianina, dia azo inoana fa nantsoina hoe Ponto ny faritra rehetra tany amin’ny ilany avaratr’i Azia Minora, izay nanamorona an’io ranomasina nantsoina indraindray hoe Pont-Euxin io. Ny faritra iva ikorianan’ny Reniranon’i Halys (akaikin’i Bitynia) no sisiny andrefan’i Ponto, fa ny sisiny atsinanana kosa teo amin’ny zorony atsimoatsinanan’ilay ranomasina. Mafana ny toetrandro eo amin’io morontsiraka mahavokatra io, fa antonontonony kosa rehefa ririnina. Tafiditra ao amin’ny tanin’i Ponto ny zorony avaratratsinanan’ilay lembalemba afovoan-tany any Azia Minora. Maro ny renirano sy lohasaha mamakivaky an’io lembalemba io, ary vokatra any ny varimbazaha isan-karazany. Rakotra ala nampiasaina tamin’ny fanaovana sambo ireo tehezan-tendrombohitra. Nisy heriny tamin’ny mponina teny amoron-tsiraka ny kolontsain’ny zanatany grika. Ireo nonina teo afovoan-tany kosa dia nifandray akaiky tamin’i Armenia tany atsinanana.

Ny Persianina no nitondra an’i Ponto talohan’ny taonjato fahefatra T.K., fa lasa fanjakana nahaleo tena izy io avy eo. Nisy mpanjaka maromaro nantsoina hoe Mithridate nifandimby tao, ka vao mainka nifandray akaiky tamin’i Roma ilay faritra. Nanohitra an’i Roma anefa i Mithridate Faha-6 Eupator, ary nitariny be ny fanjakany. Niteraka ady maromaro izany, ka resin’i Pompée, jeneraly romanina, izy tamin’ny farany tamin’ny taona 66 T.K. tany ho any. Nakambana tamin’i Bitynia tany andrefana ny ampahany lehibe tamin’i Ponto, ka lasa faritany iray nantsoina hoe Bitynia sy Ponto. Ilay ilany atsinanana kosa anefa nakambana tamin’ny faritanin’i Galatia (Ponto any Galatia). Nisy ampahany tamin’iny ilany atsinanana iny nomena an’i Polémon (t. 36 T.K.) tatỳ aoriana, ka lasa anisan’ny Fanjakan’i Polémon. (SARINTANY, Boky 1, p. 195) Tamin’ny taonjato voalohany àry ny teny hoe “Ponto” dia nilazana ilay faritra amoron-tsiraka iray manontolo, na ilay ampahany tao amin’ny faritanin’i Bitynia sy Ponto nitambatra, na koa ilay ilany atsinanana lasa anisan’i Galatia sy anisan’ny Fanjakan’i Polémon.

Nilaza i Philon, mpanoratra jiosy tamin’ny taonjato voalohany fa niely nanerana an’i Ponto ny Jiosy. Nisy Jiosy avy any Ponto tonga tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:9) Rehefa nandre ny lahatenin’i Petera izy ireo, dia toa lasa Kristianina ny sasany taminy, ary niverina tany Ponto. Telopolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia navantan’i Petera tamin’ny ‘mpivahiny niely tany Ponto’ sy tany amin’ny faritra hafa tany Azia Minora ny taratasiny voalohany (t. taona 62-64). (1Pe 1:1) Azo inoana fa nisy fiangonana kristianina tany Ponto matoa i Petera niresaka momba ny “anti-panahy”, izay niandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. (1Pe 5:1, 2) Teratany avy any Ponto ilay Jiosy nantsoina hoe Akoila. Nanao dia lavitra nankany Roma sy nankany Korinto izy, ary tany izy no nihaona tamin’ny apostoly Paoly.​—As 18:1, 2.