Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porima

Porima

PORIMA

(Porìma).

Fety nankalazaina ny 14 sy 15 Adara, volana jiosy farany (faramparan’ny Febroary sy voalohandohan’ny Martsa); antsoina koa hoe Fetin’ny Antsapaka. (Es 9:21) Avy amin’ny hoe pora (antsapaka) izy io. Nanao pora i Hamana mba hamantarana ny andro mety handripahana ny Jiosy. Agagita izy, angamba taranaka mpanjaka amalekita, ary mpanompo sampy ka “karazana sikidy” ilay antsapaka nataony. (Es 3:7, Le, f.a.p.; jereo ANTSAPAKA; PORA, II; SIKIDY.) Nampirisihin’i Hamana i Ahasoerosy (Ksersesy I) Mpanjaka, ka navoaka ny 13 Nisana tamin’ny taona faha-12 nanjakany (mety ho lohataonan’ny 484 T.K.) ilay didy hoe haripaka ny Jiosy rehetra. Navoaka ho lalàna tany amin’ny faritany rehetra nofehezin’ny Persianina ilay izy.

Fahatsiarovana ny nanafahana ny Jiosy. Fahatsiarovana an’izany ilay fety. Nandamòka mantsy ilay tetik’i Hamana handripaka ny Jiosy. Nantsoin’izy ireo hoe Porima àry ilay fety, angamba ho fanesoana an’i Hamana. (Es 9:24-26) Antsoina hoe “andron’i Mardokea” koa izy io, araka ny 2 Makabeo 15:37 (Kat., boky tsy anisan’ny Baiboly), satria anisan’ny nampanao an’ilay fety i Mordekay. Afa-doza ny Jiosy noho ny fanampian’i Estera vadin’ny mpanjaka, izay nanao vivery ny ainy sy nanaraka ny toromarik’i Mordekay zana-drahalahin’ny rainy. Nifady hanina telo andro izy vao nandeha nanasa ny mpanjaka ho amin’ny fanasana iray, avy eo ho amin’ny fanasana hafa mba hilazany ny fangatahany. (Es 4:6–5:8) Nekena ny fangatahany, kanefa tsy azo novana ilay didy voalohany satria tsy azo ovana ny lalàn’ny Medianina sy Persianina. (Da 6:8) Nisy didy hafa navoaka àry ny 23 Sivana hoe nahazo niaro tena ny Jiosy. Nosoratan’i Mordekay ilay izy, ary nadika tamin’ireo fitenin’ny faritany samihafa nofehezin’ny Fanjakana Persianina. Afaka niomana àry ny Jiosy. Niady izy ireo ny 13 Adara, ary nampian’ny mpifehy sy ny lehibem-paritany ary ny governora. Resy ny fahavalon’ny Jiosy, ary maro tamin’izy ireo no maty ny 13 Adara. Mbola nitohy izany ny 14 Adara tao Sosana, tanànan’ny mpanjaka. Nitsahatra ny Jiosy tany amin’ireo faritany ny 14 Adara, fa ireo tao Sosana kosa ny 15 Adara, ka nanao fanasambe sy nifaly.—Es 8:3–9:19.

Nodidian’i Mordekay ny Jiosy hahatsiaro an’io fanafahana io isaky ny 14 sy 15 Adara, ka hanao “fanasambe sy fifaliana sy fifanaterana sakafo ary fanaterana fanomezana ho an’ny mahantra.” (Es 9:20-22) Nisy taratasy faharoa nosoratana, ary nohamafisin’i Estera tao fa tokony hankalaza an’ilay fety ny taranaka mifandimby, ny fianakaviana tsirairay, ny faritany tsirairay ary ny tanàna tsirairay, isaky ny fotoana voatondro.—Es 9:28-31; jereo ESTERA, BOKIN’I.

Mbola mankalaza an’ilay fety ny Jiosy, saingy nampiany fombafomba maro ilay izy, toy ny hoe andro fifadian-kanina ny 13 Adara, izay antsoina hoe Fifadian-kanin’i Estera. Tsy voarara ny mivarotra na miasa mandritra ilay fety.

Fanazavana ny Jaona 5:1. Tsy miresaka mivantana momba ny Fetin’ny Porima ny Soratra Grika Kristianina. Misy anefa milaza fa izy io ilay resahin’ny Jaona 5:1, manao hoe: “Nisy fetin’ny Jiosy taorian’izany, ka niakatra tany Jerosalema i Jesosy.” Tsy misy porofon’izany anefa. Misy sora-tanana koa manisy mpanoritra voafaritra ka manao hoe “ilay fetin’ny Jiosy.” (Jereo Rbi8, f.a.p.) Iray tamin’ireo fety lehibe telo resahin’ny Deoteronomia 16:16 àry izy io, satria niakatra tany Jerosalema i Jesosy. Tsy voatery nankany mantsy izy rehefa Fetin’ny Porima, izay nankalazaina isaky ny tanàna sy synagoga ary faritra, fa tsy tao amin’ny tempoly. Tsy ho nandeha an-tongotra nankany Jerosalema koa i Jesosy, avy eo nankany Galilia, nefa iray volana sisa dia ho tonga ny Paska. Tsy ho vitany tao anatin’izany fotoana fohy izany koa ny nanompo tany Kapernaomy, nitety an’i Galilia, niverina tany Kapernaomy, ary nankany Jodia sy Jerosalema, raha Porima ilay resahin’ny Jaona 5:1 ary Paska (nitranga iray volana tatỳ aoriana) ilay resahin’ny Jaona 6:4. (Jereo JESOSY KRISTY [Tabilao hoe Zava-nisongadina Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany].) Azo inoana àry fa Paska tamin’ny taona 31 ilay “fetin’ny Jiosy” resahin’ny Jaona 5:1.—Jereo JESOSY KRISTY (Naharitra telo taona sy tapany ny fanompoany).

Zava-kendreny. Misy mpivaofy teny milaza fa toa tsy fety ara-pivavahana ilay Fetin’ny Porima ankalazain’ny Jiosy ankehitriny, sady misy fanaranam-po be indraindray. Tsy hoatr’izany anefa tamin’ny voalohany. Mpanompon’ilay tena Andriamanitra mantsy i Mordekay sy Estera, ary natao hanomezam-boninahitra Azy ilay fety. I Jehovah Andriamanitra no nanafaka ny Jiosy tamin’izany, satria noho i Mordekay tsy nanompo afa-tsy i Jehovah irery ihany no saika naharipaka azy ireo. Angamba Amalekita i Hamana, nefa nozonin’i Jehovah sy nomelohiny haringana ny Amalekita. Nankatò ny didin’Andriamanitra i Mordekay ka tsy nety niankohoka teo anatrehan’i Hamana. (Es 3:2, 5; Ek 17:14-16) Nanantena koa izy fa hisy hery ambony kokoa hanafaka ny Jiosy. (Es 4:14) Nitalaho ny fanampian’Andriamanitra koa i Estera, matoa nifady hanina talohan’ny nidirany teo anatrehan’ny mpanjaka mba hanasa azy.—Es 4:16.