Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Porofo Omen’ny Arkeolojia

Porofo Omen’ny Arkeolojia

NAHOANA no mahaliana ny mpianatra Baiboly ny arkeolojia? Satria ahalalana tsara kokoa ny fiainan’ny olona resahin’ny Baiboly sy ny fiteny nanoratana azy io ny zavatra maro hitan’ny mpikaroka.

Noporofoin’ny mpikaroka koa indraindray fa diso hevitra ireo mitsikera ny fitantarana sasany ao amin’ny Baiboly. Nisy, ohatra, nilaza hoe tsy nisy akory i Belsazara mpanjakan’i Babylona sy Sargona mpanjakan’i Asyria, satria ny Baiboly ihany no nahitana an’ireo anarana ireo hatramin’ny taonjato faha-19. (Is 20:1; Da 5:1) Noporofoin’ny lapan’i Sargona hita tany Korsabada, sy ilay Tantaran’i Nabonida malaza anefa fa tena nisy izy ireo.

Tsy midika akory izany hoe ireo zavatra hitan’ny mpikaroka no manaporofo fa marina ny Baiboly. Hoy i Yohanan Aharoni, Israelianina mpikaroka: “Tsy tena siansa intsony ny fanazavan’ny arkeology ny tantara na ny jeografian’ny tany iray, fa tsy maintsy miantehitra amin’ny fomba fiheviny sy manombantombana izy mba hahalalany ny zava-nitranga rehetra teo amin’ny tantara.” Tsy mahagaga àry raha mifanohitra amin’ny Baiboly indraindray ny fanazavan’ny mpikaroka.

Tsy midika izany hoe tsy marina ny Baiboly. Tsy mafy orina mantsy izay finoana mifototra amin’ny fanazavan’ny mpikaroka fotsiny. Ny Baiboly ihany, fa tsy ireo zavatra hitan’ny mpikaroka, no manaporofo fa avy amin’Andriamanitra izy io.

Dongon-tany misy ny sisa tavela amin’ny tanànan’i Beti-sana

KISARY: Tell el-Hosn (Tel Bet Sheʼan)

Soratra hoe: “Nentina ato ny taolambalon’i Ozia mpanjakan’ny Joda. Tsy azo sokafana.” Nalevina indray teo amin’ilay toerana ny taolambalon’ireo mpanjaka, angamba tamin’ny taonjato voalohany tany ho any

Kalandrien’i Gazera, angamba tamin’ny taonjato fahafolo T.K., ary anisan’ireo soratra hebreo tranainy indrindra

Sargona II, izay nolazain’ny mpitsikera hoe tsy nisy akory nefa fantatry ny mpikaroka tsara ankehitriny

Soratra eo amin’ny rindrin’ilay tionelina mampifandray ny Loharanon’i Gihona sy ny Dobon’i Siloama (toa naorin’i Hezekia Mpanjaka); resahina eo ny fomba nanaovana an’ilay tionelina