Potifera
(Pôtifera) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Ilay Nomen’i Ra”].
Rafozandahin’i Josefa satria rain’i Asenata vadiny, izay niteraka an’i Manase sy Efraima. (Ge 41:45, 50; 46:20) Azo inoana fa i Potifera no mpisoron’i Ra, andriamanitra masoandro, tao Ona, foiben’ny fivavahana tamin’ny masoandro. Misy tsangambatom-pasana iray azon’ny Tranombakok’i Le Caire tamin’ny 1935, ary hita eo amin’izy io ny anarana hoe “Potifara.”—Voka-pikarohana Momba An’i Ejipta Fahiny (frantsay), Le Caire, 1939, Boky Faha-39, p. 273-276.