Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Potioly

Potioly

(Potiòly).

Seranana lehibe tany atsimoatsinanan’i Roma, tamin’ny taonjato voalohany. Nandalo tao Potioly i Paoly, tamin’izy hankany Roma mba hiseho teo anatrehan’i Kaisara (t. 59). (As 28:13) Natosiky ny rivotra avy any atsimo ny sambo nitondra azy, ka tonga tao Potioly ‘ny afakampitson’ny’ nialan’izy ireo tany Regioma, tokotokony ho 320 km tany atsimo atsimoatsinanana.

Niangavian’ireo rahalahy kristianina tao Potioly i Paoly sy ireo niaraka taminy mba hijanona herinandro tao. (As 28:14) Asehon’izany fa nanana fahafahana ihany i Paoly, na dia voafonja aza. Nanana fahafahana toy izany koa izy, tamin’izy nigadra tany Kaisaria sy Sidona talohan’izay.​—As 24:23; 27:3.

Maro no mihevitra an’i Potioly ho i Pouzzoles ankehitriny, eo amin’ny helodranomasina antsoina ihany hoe Pouzzoles, tokony ho 10 km any andrefana atsimoandrefan’i Naples. Mbola ahitana rarivato lehibe fiantsonan’ny sambo fahiny eo, saingy efa rava. Ilay anarany fahiny hoe Dicéarchia no niantsoan’i Josèphe an’i Potioly. Nilaza izy fa nisy Jiosy nonina tao.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 328 (xii, 1).