Priska
(Priskà) [Vaviantitra]; Prisila (Prisìla) [Vaviantitra Kely].
Priska no ao amin’ny asa soratr’i Paoly, fa Prisila kosa no ao amin’ny an’i Lioka. Nanana endrika roa toy izany matetika ny anarana romanina.
Vadin’i Akoila i Prisila, ary miara-voatonona foana izy mivady. Nazoto nanompo izy ireo sady tia nandray vahiny, na olona iray ilay izy na maromaro matoa nivory tao an-tranony ny fiangonana, tany Roma sy Efesosy.
Niala tao Roma ry Akoila mivady, noho ny didy navoakan’i Klaodio Mpanjaka. Nankany Korinto izy ireo (taona t. 50), ary tsy ela dia tonga tany koa i Paoly, ka niara-nanao tranolay taminy. (As 18:2, 3) Niaraka tamin’i Paoly nankany Efesosy izy mivady ary nijanona kely tao, ka afaka ‘nanazava marina kokoa ny lalan’Andriamanitra’ tamin’i Apolosy, mpandahateny mahay. (As 18:18, 19, 24-28; 1Ko 16:19) Niverina kely tany Roma izy ireo (Ro 16:3-5), ary nankany Efesosy indray. (2Ti 4:19; 1Ti 1:3) Nifanerasera tamin’i Paoly izy ireo nanomboka tamin’ny taona 50 tany ho any mandra-pahafatin’izy io, afaka 15 taona teo ho eo. Nisy fotoana izy ireo tamin’izany “nanao vivery ny ainy” hamonjena azy.—Ro 16:3, 4; jereo AKOILA.