Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ra

Ra

Ranoka tena mahagaga, izay mikoriana ao amin’ny lalan-dran’ny olona sy ny ankamaroan’ny biby manana sela maro. Dam ny ra amin’ny teny hebreo, ary haima amin’ny teny grika. Mitondra oksizenina sy otrikaina mahavelona manerana ny vatana ny ra, ary manaisotra ny loto. Anisan’ny tena miaro ny vatana amin’ny aretina izy io. Misy zavatra maro be ao amin’ny ra, ka mbola misy tsy fantatry ny mpahay siansa ny momba azy io.

Milaza ny Baiboly fa ao amin’ny ra ny aina, satria ny ra no miantoka ny aina. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Fa ao amin’ny ra ny ain’ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra mba handrakofana ny fahotanareo, satria ny ra no mandrakotra fahotana noho ny aina ao aminy.” (Le 17:11) Milaza izany mivantana kokoa ny andininy hafa rehefa manao hoe: “Ny ain’ny karaza-nofo rehetra dia ny rany.” (Le 17:14) Asehon’ny Tenin’Andriamanitra àry fa masina ny aina sy ny ra.

Mamono olona. I Jehovah no loharanon’aina. (Sl 36:9) Tsy misy mahavita mamerina ny aina ny mpamono olona, satria “ahy ny aina rehetra”, hoy i Jehovah. (Ezk 18:4) Maka izay an’i Jehovah àry izay mamono olona. Misy antony ny namoronana ny zavamiaina rehetra, ary manana ny anjara asany daholo koa izy ireny. Tsy misy manan-jo hamono olona, raha tsy hoe alalana avy amin’Andriamanitra no anaovany izany ary ataony araka ny fomba nolazain’Andriamanitra.

Taorian’ny Safodrano, dia nodidiana hanaja ny aina na ny ran’olon-kafa i Noa sy ny zanany, izay razamben’ny olombelona rehetra ankehitriny. (Ge 9:1, 5, 6) Tsara fanahy Andriamanitra ka navelany hihinana henam-biby koa ry Noa. Nila nanaiky anefa izy ireo fa an’Andriamanitra ny ain’ilay biby novonoiny, ka nasaina nararak’izy ireo tamin’ny tany toy ny rano ny ran’ilay biby. Toy ny hoe mamerina ny aina any amin’Andriamanitra izy ireo amin’izay, fa tsy mampiasa azy io araka izay itiavany azy.​—De 12:15, 16.

Nomen’Andriamanitra zo hiaina ny olona, ka ataony ampamoaka izay mandatsaka aina. Hoy àry izy tamin’i Kaina, izay namono olona: “Miantsoantso mitaraina amiko avy amin’ny tany ny ran’ny rahalahinao.” (Ge 4:10) Efa meloka ny olona iray na dia mankahala fotsiny ny rahalahiny aza ka maniry ny hahafaty azy. Toy izany koa izay manendrikendrika ny rahalahiny, na mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga azy ka mety hahafaty azy.​—Le 19:16; De 19:18-21; 1Jn 3:15.

Sarobidy amin’Andriamanitra ny aina, ary lazaina hoe mandoto ny tany ny ran’izay maty nisy namono. Tsy ho afaka ilay fahalotoana raha tsy alatsaka ny ran’ilay namono olona. Milaza àry ny Baiboly fa azo vonoina ho faty izay namono olona, ka izay manana fahefana ara-dalàna no hamono azy. (No 35:33; Ge 9:5, 6) Tsy nisy vidim-panavotana azo nanafahana an’izay ninia namono olona teo amin’ny Israely, fa tsy maintsy novonoina ho faty izy.​—No 35:19-21, 31.

Ahoana raha tsy fantatra izay namono ny olona iray na dia efa nokarohina aza? Ny tanàna akaiky indrindra an’ilay toerana nahitana ny faty no heverina ho meloka ho nandatsa-dra. Nisy fombafomba àry nasain’Andriamanitra nataon’ireo anti-panahin’ilay tanàna. Tsy maintsy niteny izy ireo hoe tsy meloka sy tsy nahalala momba ilay vonoan’olona. Nila nivavaka koa izy ireo mba hamindra fo aminy Andriamanitra. (De 21:1-9) Ahoana kosa raha nahafaty olona tsy nahy ny olona iray? Nasain’Andriamanitra nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana sy nijanona tany izy mba ho voaro. Raha tsy nanao izany anefa izy satria tsy nampaninona azy loatra ny nahafaty olona, dia ny havana akaikin’ilay novonoiny no nanana zo sy adidy hamaly faty sy hamono azy, mba tsy hisaina ho helok’ilay tany ny ra latsaka.​—No 35:26, 27; jereo MPAMALY RA.

Ahoana no azo ampiasana ny ra? Zavatra tokana ihany no neken’Andriamanitra hampiasana ny ra, dia ny sorona. Nasainy nanao sorona biby ny olona nofehezin’ny Lalàn’i Mosesy, mba handrakofana ny fahotan’izy ireo. (Le 17:10, 11) Sitrapon’Andriamanitra koa ny hoe hatolotr’i Jesosy Kristy ho sorona noho ny ota ny ainy lavorary.​—He 10:5, 10.

Mamonjy aina ny ran’i Kristy, ary imbetsaka izany no hita taratra ao amin’ny Soratra Hebreo. Tamin’ny Paska voalohany tany Ejipta, ohatra, dia niaro ny lahimatoan’ny Israelita tsy hovonoin’ilay anjelin’Andriamanitra ny ra nahosotra teo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàm-baravaran’izy ireo. (Ek 12:7, 22, 23; 1Ko 5:7) Ram-biby koa no nampanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna, izay ahitana taratr’ilay sorona tena manafaka amin’ny fahotana. (Ek 24:5-8) Teo koa ireo sorona nalatsa-dra, indrindra fa ireo natao tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Mifanitsy amin’ny soron’i Kristy izay tena manaisotra ny ota izy ireny.​—Le 16:11, 15-18.

Manan-kery ara-dalàna ny ra eo imason’Andriamanitra, ka nekeny hampiasaina handrakofana fahotana. Hita izany rehefa nararaka teo am-pototry ny alitara ny ra, ary nahosotra teo amin’ireo tandroky ny alitara. Ny ra, araka izany, no fototra nahafahana nanao fandrakofam-pahotana, ary ra koa no nahatonga ny sorona hanan-kery. Mifanitsy amin’ny hery mantsy ny tandroka.​—Le 9:9; He 9:22; 1Ko 1:18.

Vao mainka nasongadina ny fahamasinan’ny ra, tatỳ amin’ny andro kristianina. Tsy notakina intsony ny hanolorana ram-biby, satria aloka fotsiny ny fanatitra biby fa i Jesosy Kristy no tena izy. (Kl 2:17; He 10:1-4, 8-10) Nakan’ny mpisoronabe ilay ram-biby, ka nentiny tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina tetỳ an-tany. (Le 16:14) Niditra tany an-danitra kosa i Jesosy Kristy, ilay tena Mpisoronabe. Tsy ny rany no nentiny tany, satria efa nararaka tamin’ny tany iny. (Jn 19:34) Ilay ain’olombelona lavorary, izay mifanitsy amin’ny rany, no natolony ny Rainy tany an-danitra. Tsy mpanota izy ka tsy very mihitsy ilay zony hanana aina lavorary, ary io zony io no nampiasainy handrakofam-pahotana. (He 7:26; 8:3; 9:11, 12) Miantsoantso mitaky zavatra tsara kokoa noho ny ran’i Abela àry ny ran’i Kristy. Ny ran’ilay Zanak’Andriamanitra ihany mantsy no afaka mangataka famindram-po, fa miantsoantso valifaty kosa ny ran’i Abela sy ny ran’ireo maritiora mpanara-dia an’i Kristy.​—He 12:24; Ap 6:9-11.

Natao ho an’iza ilay fandrarana tsy hihinan-dra?

Nilaza i Jehovah, taorian’ny Safodrano, fa afaka mihinana henam-biby koa i Noa sy ny zanany, saingy norarany mafy tsy hihinan-dra. (Ge 9:1, 3, 4) Tsy natao ho an’i Noa sy ny ankohonany ihany io fitsipika io, fa ho an’ny olombelona rehetra taorian’ny Safodrano koa, satria taranak’i Noa daholo izy rehetra.

Mbola manan-kery io fandrarana io. Hoy i Joseph Benson momba izany: “Nomena an’i Noa sy ny taranany ilay fandrarana tsy hihinan-dra, ary mbola nantitranterina mafy tamin’ireo Israelita tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsara homarihina fa mbola tsy nofoanana izy io, fa vao mainka kosa aza nohamafisin’ny Testamenta Vaovao, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15. Natao haharitra mandrakizay àry izy io.”​—Fanamarihana, asa soratr’i Benson, 1839, Boky I, p. 43.

Ny Lalàn’i Mosesy. Naverin’i Jehovah indray ilay lalàna nomeny an’i Noa, rehefa nanao ilay fifaneken’ny Lalàna tamin’ny firenen’Israely izy. Nilaza mazava izy fa “meloka ho nandatsa-dra” izay tsy niraharaha ny lalàny, eny fa na dia ilay lalàna momba ny famonoana biby aza. (Le 17:3, 4) Tokony hararaka amin’ny tany sy hototofana vovoka ny ran’ny biby novonoina hatao sakafo. (Le 17:13, 14) ‘Haringana tsy ho eo amin’ny fireneny’ izay mihinana ra, na ran’inona izany na ran’inona. “Haringana” izay minia mandika an’izany lalàna momba ny fahamasinan’ny ra izany.​—Le 17:10; 7:26, 27; No 15:30, 31.

Izao no lazain’ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1882, Boky I, p. 834) momba ny Levitikosy 17:11, 12: “Tsy ny Israelita ihany no nomena an’io fandrarana io, fa na ny vahiny nonina teo amin’izy ireo koa aza. Izay olona tsy nankatò izany fandrarana izany dia ‘naringana tsy ho eo amin’ny fireneny.’ Toa famonoana ho faty no dikan’izany (ampit. Heb. 10:28), saingy tsy fantatra na novonoina tamin’ny sabatra na notoraham-bato.”

Milaza ny Deoteronomia 14:21 fa azo namidy tamin’ny vahiny na tamin’ny hafa firenena ny biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia. Tsy mitovy àry ny lalàna momba ny ran’ny biby maty tamin’izany fomba izany sy ny ran’ny biby novonoina hatao sakafo. (Ampit. Le 17:14-16.) Tsy maintsy nankatò ny Lalàna ny Israelita, ary toy izany koa ny vahiny nanaraka ny fivavahana marina sy nanaiky ny fifaneken’ny Lalàna. Natao harahin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ilay lalàna ao amin’ny Genesisy 9:3, 4, fa nantenain’Andriamanitra hanao mihoatra noho izany kosa ny olona teo ambanin’ny Lalàna, ka hankatò an’io lalàna io mihoatra noho ny hafa firenena sy ny vahiny tsy mpanompon’i Jehovah.

Amin’ny andro kristianina. Notarihin’ny fanahy masina ny filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ka namoaka izao lalàna izao: “Fa sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana. Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo. Mirary soa ho anareo izahay!” (As 15:22, 28, 29) Tsy azo atao koa ny mihinana biby mbola tsy nalatsa-dra (“biby nokendaina”).

Io didy io no fototr’ilay didin’Andriamanitra mandrara ny fihinanan-dra. I Noa sy ny zanany no nomena azy io, ka mihatra amin’ny olombelona rehetra koa. Izao no lazain’ilay boky hoe Fanitsiana Ireo Daty Malaza teo Amin’ny Tantaran’ireo Fanjakana Fahiny, nataon’i Atoa Isaac Newton (Dublin, 1728, p. 184): “Efa talohan’ny andron’i Mosesy io lalàna [mampifady ra] io, satria i Noa sy ny zanany no nomena azy io, ela be talohan’ny andron’i Abrahama. Rehefa nanambara àry ny Apostoly sy ny Anti-panahy anisan’ny Filan-kevitra tany Jerosalema hoe tsy voatery hoforana sy hitandrina ny lalàn’i Mosesy ny Jentilisa, dia tsy nataony anisan’izany ilay lalàna momba ny fifadiana ra sy zavatra nokendaina. Efa taloha ela be mantsy no nanomezan’Andriamanitra an’io lalàna io, ary tsy ny taranak’i Abrahama ihany no nasaina nanaraka azy io fa ny firenena rehetra mihitsy, tamin’izy ireo niara-nonina tany Sinara teo ambany fitondran’i Noa. Mitovy amin’io lalàna io koa ilay lalàna momba ny fifadiana ny hena naterina ho an’ny Sampy na ho an’ny Andriamani-diso, ary ny fifadiana ny fijangajangana.”​—Izy no manao sora-mandry.

Mbola narahina taorian’ny andron’ny apostoly. Nalefa mba hotandreman’ny fiangonana kristianina ny didy navoakan’ilay filan-kevitra tany Jerosalema. (As 16:4) Fito taona teo ho eo taorian’izay, dia mbola narahin’ny Kristianina ilay ‘fanapahan-kevitra ny amin’ny tokony hifadian’izy ireo ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, mbamin’ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana.’ (As 21:25) Nendrikendrehin’ny fahavalo ho nihinan-janaka ireo Kristianina tany Lyon (any Frantsa ankehitriny), zato taona mahery tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 177. Hoy àry ny vehivavy iray atao hoe Biblis: “Ran’ny biby tsy misaina aza tsy azon’ireo olona ireo hanina, ka nahoana izy no lazaina hoe mihinan-janaka?”​—Ny Tantaran’ny Eglizy, nataon’i Eusèbe, V, I, 26.

Tsy nihinan-dra ny Kristianina voalohany, na ran’inona izany na ran’inona. Niresaka momba izany i Tertullien (t. 155-a. 220) tao amin’ilay bokiny hoe Fanamarinana (IX, 13, 14). Hoy izy: “Diso hevitra ianareo, ka aoka ho menatra anay Kristianina, satria tsy fihinanay na dia ny ram-biby aza. Izany no antony ifadianay biby nokendaina na biby maty ho azy, mba tsy ho voaloton’ny ra izahay, eny fa na dia ny ra any anaty hena aza. Sedrainareo ny Kristianina, ka omenareo saosisy voasesika ra. Fantatrareo tsara anefa fa tsy azon’izy ireo atao ny mihinana izany, saingy tianareo handika lalàna izy ireo.” Mitovy amin’izany ny tenin’i Minucius Félix, mpisolovava romanina maty tamin’ny taona 250 tany ho any. Hoy izy: “Tsy azonay atao ny mijery na mandre famonoana olona; tsy tantinay ny mahita ran’olona, hany ka tsy mihinana ram-biby izahay.”​—Octave, XXX, 6.

Tsy fivadihana. Nampanan-kery ny fifanekena vaovao ny ran’i Jesosy Kristy. Nanomboka teo dia neken’ny Kristianina fa hahazoana fiainana ny ran’i Kristy. I Jehovah no anton’izany rehetra izany, nefa teo koa i Jesosy Kristy Mpisoronabe izay “niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina.” ‘Tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany mihitsy, ka nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika’ izy. Ny finoana ny ran’i Kristy no manadio ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina ho afaka amin’ny asa maty, mba hanaovan’izy ireo fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona. Mitandrina ny fahasalamany izy ireo, nefa ny fahasalamany ara-panahy sy ny fankasitrahan’ny Mpamorona no tena zava-dehibe aminy. Tsy te hivadika amin’ilay Andriamanitra velona izy ireo, na handa ny soron’i Jesosy, na hanao tsinontsinona sy hanitsakitsaka azy io. Ny fiainana mandrakizay mantsy no katsahiny, fa tsy fiainana mandalo.​—He 9:12, 14, 15; 10:28, 29.