Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raba

Raba

(Ràba) [Betsaka; Be dia Be].

1. Tanàna farany andrefan’ny fanjakan’i Amona fahiny, rehefa nisy lasan’ny Amorita ny tanin’i Amona. I Raba irery no tanànan’ny Amonita resahin’ny Baiboly. Mety ho renivohitra àry izy io, ary 37 km teo ho eo tany atsinanan’i Jordana no nisy azy, teo amoron’ny renirano iray nivarina tany amin’i Jaboka. Nahavokatra be ilay faritra nisy azy. Nandalovan’ny mpivarotra nivezivezy tany Damaskosy sy Arabia koa i Raba.

Trano efa ravarava ao Amman, izay nisy an’i Raban’ny taranak’i Amona na Filadelfia tany Dekapolisy fahiny

Milaza ny Baiboly fa tao “Raban’ny taranak’i Amona” (Rabbat beneh ʽAmmôhn) ilay filanjana vy nilanjana ny fatin’i Oga, mpanjakan’i Basana. Tamin’izay no niresahana voalohany an’i Raba. (De 3:11) Rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia lasan’ny fokon’i Gada ny tanin’ny Amorita (angamba ny tanin’i Amona taloha) “hatrany Aroera, izay tandrifin’i Raba [angamba teo avaratratsinanany].”​—Js 13:25.

Azon’i Davida babo. Voaresaka indray ao amin’ny Baiboly i Raba, tamin’ilay ady nifanaovan’i Davida tamin’i Hanona mpanjakan’i Amona, izay ratsy fanahy tamin’ny irak’i Davida. (2Sa 10:1-19; 1Ta 19:1-19) Niady tamin’ny Syrianina nokaramain’ny Amonita i Joaba sy ny miaramilany, fa ry Abisay kosa niady tamin’ny Amonita “teo amin’ny fidirana amin’ny tanàna”, dia ny tanànan’i Raba. (1Ta 19:9) Resy ny Syrianina, ka nitsoaka nankao an-tanàna ny Amonita. Nataon’i Joaba fahirano ilay tanàna tatỳ aoriana. I Davida kosa tany Jerosalema tamin’izay. Nijangajanga tamin’i Batseba izy, ary nasainy niverina tany an’ady i Oria Hetita vadin’i Batseba. Nampiarahina tamin’ireo miaramila loha laharana i Oria, araka ny baikon’i Davida. Nanakaiky loatra ny tanàna anefa izy ka voatifitry ny mpandefa zana-tsipìka teny amin’ny manda, rehefa nisy Amorita nivoaka hiady tamin’ny Israelita.​—2Sa 11:1-25; 1Ta 20:1.

Resin’i Joaba ihany i Raba ka azony babo “ny tanàna misy rano.” (2Sa 12:27) Toa ampahany tamin’ilay tanàna ihany no azony, matoa izy nampilaza tamin’i Davida mba ho avy hamita an’ilay fandresena ka hahazo voninahitra tamin’ny fahazoana an’i Raba. Mety ho teo amoron’ny renirano ilay “tanàna misy rano”, na mety ho ny toerana famatsian-drano tao an-tanàna.​—2Sa 12:26-28.

Nankany Raba àry i Davida ka namabo tanteraka an’ilay tanàna. “Be dia be ny zavatra azo babo navoakany avy tao.” (2Sa 12:29-31; 1Ta 20:2, 3) Lasa nahaleo tena indray anefa ny Amonita tatỳ aoriana. Nanambara fanamelohana azy ireo i Amosa tamin’ny taonjato fahasivy T.K., ary nilaza fa hodorana i Raba. (Am 1:13, 14) Nilaza fanamelohana an’i Raba koa i Jeremia sy Ezekiela. Tanteraka tamin’ny andron’i Nebokadnezara ireny faminaniana ireny, araka ny hita ao amin’ny hoe AMONITA.​—Je 49:2, 3; Ezk 21:19-23; 25:5.

Nanorina indray an’i Raba i Ptolémée Philadelphe tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Novany hoe Filadelfia ny anaran’ilay tanàna. Lasa anisan’ireo tanàna natao hoe Dekapolisy izy io tatỳ aoriana, ary toa nandroso sy niroborobo. Ny toerana nisy azy io no misy ny tanànan’i Amman ankehitriny. Misy trano maro sy kianja goavam-be iray efa ravarava ao. Naorina tamin’ny andron’ny Romanina anefa ny ankamaroan’ireny.

2. Tanàna nomena ny fokon’i Joda. Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy azy io. Voatonona miaraka amin’i Kiriata-jearima izy io, ao amin’ny Josoa 15:60. Tany amin’ny havoanan’i Joda, 13 km andrefana avaratrandrefan’i Jerosalema, i Kiriata-jearima.