Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rabmagy

Rabmagy

(Rabmàgy).

Anaram-boninahitry ny olona ambony tao amin’ny Fanjakana Babylonianina rehefa rava i Jerosalema (607 T.K.). Misy soratra nofongarina ahitana azy io. Rehefa resin’i Nebokadnezara ilay tanàna, dia anisan’ireo andriana babylonianina nipetraka hitsara teo amin’ny Vavahady Afovoan’i Jerosalema i Nergala-sarezera Rabmagy, sady anisan’ireo nanolotra an’i Jeremia tamin’i Gedalia rehefa nafahana i Jeremia.​—Je 39:3, 13, 14.