Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raby

Raby

(Ràby).

Nidika hoe “mpampianatra”, raha ny marina. (Jn 1:38) Lasa anaram-boninahitra fiantsoana sy fanajana olona teo amin’ny Jiosy anefa izy io taloha kelin’ny nahaterahan’i Jesosy, ary nidika hoe “ilay be voninahitro; ilay tena mendri-kajako.” Notakin’ny avara-pianarana sy mpanora-dalàna ary mpampianatra Lalàna sady tiany erỳ ny nantsoina hoe “Raby.” Tsy nankasitrahan’i Jesosy Kristy anefa izany, ka tsy navelany hantsoina hoe “Raby” ny mpianany, satria izy no mpampianatra azy ireo.​—Mt 23:6-8.

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ihany no misy hoe “Raby.” In-12 izy io no niantsoana an’i Jesosy amin’ny heviny hoe “Mpampianatra”: Nampiasa azy io indroa i Petera (Mr 9:5; 11:21), indray mandeha ny mpianatr’i Jaona anankiroa (Jn 1:38), indray mandeha avy i Natanaela (Jn 1: 49) sy Nikodemosy (Jn 3:2), intelo ny mpianatr’i Jesosy tsy voatonona anarana (Jn 4:31; 9:2; 11:8), indray mandeha ny vahoaka (Jn 6:25), ary indroa i Jodasy (miverina indroa ny fitantarana iray) (Mt 26:25, 49; Mr 14:45). Niantso an’i Jesosy hoe “Rabôny” na Mpampianatro i Maria Magdalena sy ny jamba iray nositraniny. Tovana ilay “o” eto saingy tsy noheverina ho toy izany intsony tatỳ aoriana, toy ny Mon amin’ny hoe Monsieur (nidika hoe “tompo-ko” tany am-boalohany). (Jn 20:16; Mr 10:51) Nantsoina hoe “Raby” i Jaona Mpanao Batisa, indray mandeha.​—Jn 3:26.