Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rafa

Rafa

(Ràfa).

1. [avy amin’ny fototeny midika hoe “manasitrana”]. Zanakalahin’i Benjamina fahadimy, araka ny 1 Tantara 8:1, 2. Tsy hita ao amin’ny lisitr’ireo nankany Ejipta (Ge 46:21) sy ao amin’ny lisitr’ireo fianakaviambe anisan’ny fokon’i Benjamina ny anarany. (No 26:38-40) Mety hidika izany fa, na taiza na taiza i Rafa no teraka, dia maty aloha be izy nefa tsy niteraka, na koa lasa nifangaro tamin’ny fianakaviana hafa ny taranany.

2. [fanafohezana ny hoe Refaia, izay midika hoe “Nanasitrana i Jah”]. Taranak’i Benjamina avy tamin’i Saoly. Antsoina hoe Refaia koa i Rafa.​—1Ta 8:33-37; 9:43.