Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahalahy, Anadahy

Rahalahy, Anadahy

Lehilahy iray ray sy iray reny amin’ny lehilahy na vehivavy iray hafa. Mety ho iray ray na iray reny fotsiny koa anefa izy ireo. ʼAh no teny hebreo, fa adelfôs kosa no teny grika, nadika hoe rahalahy na anadahy. Anisan’ny mpirahalahy iray tam-po resahin’ny Baiboly i Kaina sy Abela zanak’i Adama sy Eva (Ge 4:1, 2; 1Jn 3:12); i Jakoba sy Esao kambana naterak’i Isaka sy Rebeka (Ge 25:24-26); ary i Jakoba sy Jaona zanak’i Zebedio sy ny vadiny (Mt 4:21; 27:56; ampit. Mpts 8:19). Anadahin’i Miriama i Mosesy sy Arona (No 26:59); anadahin’i Marta sy Maria i Lazarosy. (Jn 11:1, 19) Nantsoina hoe mpirahalahy na mpianadahy koa na dia ireo samy hafa reny aza, toa an’izy 12 lahy zanak’i Jakoba tamin’ireo vehivavy efatra samihafa (Ge 35:22-26; 37:4; 42:3, 4, 13); na ny zanaka iray reny fa samy hafa ray, toa an’i Jesosy sy ireo rahalahiny ary angamba koa i Davida sy ireo anabaviny.​—Mt 13:55; 1Ta 2:13-16; 2Sa 17:25; jereo ilay lohatenikely hoe “Ireo rahalahin’i Jesosy.”

Tsy ny iray tam-po ihany anefa no natao hoe “rahalahy.” Zana-drahalahin’i Abrahama, ohatra, i Lota, nefa nantsoiny hoe rahalahy. Nataon’i Labana hoe rahalahy koa i Jakoba zanak’anabaviny. (Ge 11:27; 13:8; 14:14, 16; 29:10, 12, 15; ampit. Le 10:4.) Mpirahalahy koa ny olona iray foko teo amin’ny Israely. (2Sa 19:12, 13; No 8:26) Ny firenen’Israely iray manontolo aza nolazaina hoe mpirahalahy, satria taranaky ny razambe iray (Jakoba) ary nanompo Andriamanitra iray ihany (Jehovah). (Ek 2:11; De 15:12; Mt 5:47; As 3:17, 22; 7:23; Ro 9:3) Na ny Edomita aza nantsoina hoe rahalahin’ny Israelita, satria izy ireo taranak’i Abrahama avy tamin’i Esao kambana amin’i Jakoba. Havan’ny Israelita ihany àry izy ireo. (No 20:14) Voalaza fa nisy ‘firahalahiana’ (heb.: ʼahavah) teo amin’ny fanjakan’ny Joda sy ny fanjakan’ny Israely rehefa nitambatra indray izy ireo.​—Za 11:14.

Atao hoe ‘mpirahalahy’ koa ny olona mitovy tanjona sy fikasana. Niantso an’i Solomona Mpanjaka hoe rahalahy, ohatra, i Hirama mpanjakan’i Tyro, satria nitovy saranga izy ireo sady samy mpanjaka. Tsy izay fotsiny anefa fa angamba koa izy ireo samy te hanangona izay nilaina hanamboarana ny tempoly, na hazo izany na zavatra hafa. (1Mp 9:13; 5:1-12) Hoy i Davida: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” (Sl 133:1) Hita amin’izany fa tsy ny ra iraisana fotsiny no mahatonga ny mpirahalahy iray tam-po hihavana sy hiray saina. Niantso an’i Jonatana hoe rahalahy, ohatra, i Davida satria nifankatia sy nifampiahy izy ireo fa tsy hoe mpihavana akaiky. (2Sa 1:26) Mety tsara raha antsoina hoe mpirahalahy ny mpinamana mitovy toetra, na dia ratsy aza izany toetra izany.​—Oh 18:9.

Nisy tombontsoa sy adidy nananan’ny mpirahalahy, tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny sy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Rehefa maty, ohatra, ny rain’izy ireo, dia nahazo anjaran-droa tamin’ny lovan’ny fianakaviana ny lahimatoa ary izy koa no lasa lohan’ilay fianakaviana. Ny rahalahy iray tam-po no voalohany nanan-jo hanavotra, sy hitondra loloha, ary ho mpamaly ra. (Le 25:48, 49; De 25:5) Voarara mafy tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny fanaovana firaisana tamin’olom-pady, ohatra hoe firaisana teo amin’ny mpianadahy.​—Le 18:9; De 27:22.

Mifampitondra toy ny mpirahalahy iray tam-po ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana. Nantsoin’i Jesosy hoe rahalahy ny mpianany. (Mt 25:40; 28:10; Jn 20:17) Hoy mihitsy aza izy: “Na iza na iza manao ny sitrapon’ny Raiko ... dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Mt 12:48-50) Tokony hotiavina mihoatra noho ny havana àry i Kristy, ary raha ilaina dia tokony hafoy ny havana noho ny amin’i Kristy. (Mt 10:37; 19:29; Lk 14:26) Mety hisy tokoa rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty. (Mr 13:12) Tsy ireo niaraka akaiky tamin’i Jesosy ihany no atao hoe “rahalahy” fa ny mpino rehetra koa (Mt 23:8; He 2:17), izany hoe ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana” “izay manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.” (1Pe 2:17; 5:9; Ap 19:10) Ireo rahalahy rehetra ao amin’ny finoana ireo no tena maneho ny atao hoe “fitiavan-drahalahy.”​—Ro 12:10; He 13:1.

Tamin’ny Pentekosta, dia nataon’i Petera hoe “rahalahy” daholo ireo avy tany an-tany lavitra, anisan’izany ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. (As 2:8-10, 29, 37) Navahana ny lehilahy kristianina indraindray ka natao hoe “rahalahy”, ary ny vehivavy natao hoe “anabavy.” (1Ko 7:14, 15) Voafaoka ao amin’ilay hoe “rahalahy” koa anefa ny vehivavy, raha antokon’olona misy rahalahy sy anabavy no iresahana. (As 1:15; Ro 1:13; 1Te 1:4) Izany no izy ao amin’ireo taratasy rehetra nosoratana ho an’ny Kristianina (afa-tsy ny Titosy sy 2 Jaona ary Joda), sy ao amin’ny asa soratr’ireo mpanoratra ny tantaran’ny Eglizy fahiny. Nampitandrina ireo apostoly fa nisy “rahalahy sandoka” nitsofoka teo anivon’ny fiangonana.​—2Ko 11:26; Ga 2:4.

Ireo rahalahin’i Jesosy. Hita ao amin’ireo Filazantsara efatra, sy ny Asan’ny Apostoly, ary taratasy roa nosoratan’i Paoly ny hoe “ny rahalahin’ny Tompo”, “ny rahalahin’i Jesosy”, “rahalahiny” ary “ny anabaviny.” Rahalahiny efatra no voatonona anarana, dia i Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy. (Mt 12:46; 13:55, 56; Mr 3:31; Lk 8:19; Jn 2:12; As 1:14; 1Ko 9:5; Ga 1:19) Miaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly fa be dia be ny porofo hoe nanana rahalahy efatra sy anabavy roa i Jesosy, fara fahakeliny, ary samy naterak’i Maria sy Josefa izy ireo, taorian’ny nahaterahan’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga.

Misy mihevitra fa efa nanambady i Josefa taloha na nitondra loloha ny zaobaviny izy, ka zanany tamin’izany ireo rahalahin’i Jesosy ireo. Tsy mitombina anefa izany satria tsy misy porofo na firesahana momba izany ao amin’ny Soratra Masina. Misy koa mihevitra fa “zanak’olo-mpiray tam-po” (anepsiôs) no dikan’ny hoe “rahalahy” (adelfôs) voalaza eo. Hevitra noforonin’i Jérôme fotsiny anefa izany, ary vao tamin’ny taona 383. Tsy nanome porofo momba izany izy, ary nanjary niova hevitra sy nisalasala mihitsy aza tatỳ aoriana. Hoy i J. Lightfoot: “Tsy naka tenin’olona to teny fahiny i Md Jérôme mba hanohanana ny heviny. Ny Soratra Masina ihany àry no tokony hitadiavana porofo momba izany. Nandinika ny porofo omen’ny Soratra Masina aho, ka hitako fa ... miteraka olana be dia be ilay heviny ... ary be lavitra ireny olana ireny raha oharina amin’izay mety ho porofo manohana izany. Tsy azo ekena àry ilay heviny.”​—Ny Epistolan’i Md. Paoly ho An’ny Galatianina, Londres, 1874, p. 258.

Tsy adelfôs no ampiasain’ny Soratra Grika rehefa miresaka momba ny zanaky ny iray tam-po na ny zanak’olo-mpiray tam-po, fa tonga dia lazaina hoe “zanak’anabavin’i Paoly” na hoe “Marka, zanak’olo-mpiray tam-po [anepsiôs] amin’i Barnabasy.” (As 23:16; Kl 4:10) Samy hita ao amin’ny Lioka 21:16 ny teny grika hoe syggenôn (havana, toy ny hoe zanak’olo-mpiray tam-po) sy ny hoe adelfôn (rahalahy na anadahy). Hita ao fa teny voafaritra tsara izy ireo ary navahana tsara ny fampiasana azy ao amin’ny Soratra Grika.

‘Tsy nino an’i Jesosy ny rahalahiny’ iray reny taminy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Jn 7:3-5) Hita amin’izany fa tsy rahalahiny ara-panahy izy ireo, ary nanasongadina an’izany i Jesosy. (Mt 12:46-50; Mr 3:31-35; Lk 8:19-21) Noho izany tsy finoany izany, dia tsy izy ireo no lazaina hoe apostoly Jakoba, Simona, ary Jodasy fa olon-kafa mitovy anarana amin’izy ireo fotsiny.​—Jn 2:12.

Hita tamin’ny fifandraisan’ireo rahalahin’i Jesosy tamin’i Maria renin’i Jesosy koa fa zanak’i Maria izy ireo, fa tsy hoe havana lavitra. Matetika izy ireo no tononina miaraka amin’i Maria. Nanana zanaka hafa koa i Josefa sy Maria satria voalaza fa i Jesosy no zanak’i Maria “lahimatoa” (Lk 2:7), ary ‘tsy nanao firaisana tamin’i Maria ... i Josefa mandra-piterany zazalahy.’ (Mt 1:25) Na ny mpiray tanàna tamin’i Jesosy tao Nazareta aza nanaiky fa “rahalahin’i Jakoba sy Josefa sy Jodasy ary Simona” izy. Hoy koa ireo mpiray tanàna taminy ireo: “Ary tsy etỳ amintsika ve ireo anabaviny?”​—Mr 6:3.

Nahoana àry no tsy ireo rahalahiny iray reny taminy, fa ny apostoly Jaona, no nasain’i Jesosy nikarakara an’i Maria, taloha kelin’ny nahafatesany? (Jn 19:26, 27) Hita hoe nanam-pinoana i Jaona, izay zana-drahavavin-dreniny, ary izy no mpianatra tena tian’i Jesosy, ka izany no nanan-danja kokoa tamin’i Jesosy noho ny rohim-pihavanana. Mbola tsy lasa mpianatr’i Jesosy koa ireo rahalahiny iray tam-po taminy tamin’izay.

Tsy nisalasala intsony ireo rahalahiny iray reny taminy, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Ahoana no ahafantarana izany? Niaraka tamin’ny reniny mantsy izy ireo rehefa nivory mba hivavaka ny reniny sy ny apostoly taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. (As 1:14) Midika izany fa teo koa izy ireo tamin’ny Pentekosta rehefa nilatsaka ny fanahy masina. I Jakoba rahalahin’i Jesosy no nanoratra ny taratasy mitondra ny anarany, ary notononina niaraka tamin’ireo anti-panahy anisan’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema izany anarany izany. (As 12:17; 15:13; 21:18; Ga 1:19; Jk 1:1) I Joda rahalahin’i Jesosy no nanoratra ny boky mitondra ny anarany. (Jd 1, 17) Nilaza i Paoly fa nanambady ny sasany tamin’ireo rahalahin’i Jesosy.​—1Ko 9:5.