Rahely
(Rahèly) [Ondrivavy].
Zanakavavin’i Labana, ary zandrin’i Lea. Zanaky ny anadahin-drenin’i Jakoba i Rahely, ary izy ilay vady tian’i Jakoba kokoa. (Ge 29:10, 16, 30) Tamin’ny 1781 T.K., dia nitady hamono an’i Jakoba i Esao rahalahiny, ka nandositra i Jakoba ary nankany Harana, any Padana-arama, any “amin’ny tanin’ny Tatsinanana.” (Ge 28:5; 29:1) Nihaona tamin’i Rahely teo amin’ny lavadrano iray tany akaikin’i Harana izy. “Sady tsara bika” i Rahely no “tsara tarehy”, ary mpiandry ny ondrin-drainy izy. Lasa nipetraka tao amin-dry Labana dadatoany i Jakoba, ary iray volana tatỳ aoriana, dia nanaiky hiasa ho an’i Labana fito taona izy, mba hahafahany hanambady an’i Rahely, satria tiany i Rahely. Tsy lefy mihitsy ny fitiavany azy nandritra izany fito taona izany, ka “toa andro vitsy monja izany” taminy. I Lea zokin’i Rahely anefa no nomen’i Labana azy, ny alin’ny fampakaram-bady. Azo inoana fa niray tetika tamin’i Labana i Lea. “Nahoana no nofitahinao aho?”, hoy i Jakoba tamin’i Labana, ny ampitso maraina. Nanazava i Labana fa nanaraka ny fomban-tany fotsiny izy. Nanaiky hankalaza ny fampakaram-badin’izy sy Lea nandritra ny herinandro i Jakoba, ary avy eo nomena azy koa i Rahely. Tsy maintsy niasa fito taona fanampiny ho an’i Labana anefa izy.—Ge 29:4-28.
Vady nahafa-po an’i Jakoba i Rahely, ary nasehon’i Jakoba fa tiany kokoa noho i Lea izy. Ge 29:29-35) Nialona an’i Lea rahavaviny i Rahely, ary namoy fo noho izy tsy niteraka. Fahafaham-baraka lehibe mantsy izany fahiny. Mafy loatra ny faniriany hanan-janaka, ary nimenomenona momba izany izy ka tezitra taminy mihitsy ny vadiny, na dia tia azy aza. Noho i Rahely tsy afa-niteraka, dia nomeny hanaovan’i Jakoba firaisana ny mpanompovaviny (toy ny nataon’i Saraha taloha tamin’i Hagara mpanompovaviny). Noraisin’i Rahely ho zanany avy eo izy roa lahy naterak’ilay mpanompovavy. Efa niteraka zanakalahy efatra fanampiny tamin’i Jakoba i Lea sy ny mpanompovaviny, vao tanteraka ny fanirian’i Rahely ka niteraka an’i Josefa lahimatoany izy.—Ge 30:1-24.
Nankahalaina i Lea ka nomen’i Jehovah tombony ary niteraka efa-dahy. I Rahely kosa momba. (Tapa-kevitra ny hiala tany Harana i Jakoba, tatỳ aoriana, nefa naharesy lahatra azy hijanona elaela kokoa ny rafozandahiny. Enin-taona taorian’izay izy vao tafala tany, rehefa nasain’Andriamanitra nandeha. Tsy niteniteny tamin’i Labana izy tamin’izay, satria efa namitaka azy imbetsaka i Labana. Nitovy hevitra tamin’i Jakoba i Lea sy Rahely. Talohan’ny niaingan’izy ireo, dia nangalarin’i Rahely ny ‘terafiman-drainy’, izay angamba sarivongana natao sampy. Nenjehin’i Labana izy ireo, ary tratrany ka nolazainy hoe nangalatra ny terafimany (toa ilay halatra no tena nampiasa saina azy). Tsy fantatr’i Jakoba anefa hoe i Rahely no nanao izany. Nilaza izy fa tokony ho faty izay olona niaraka taminy ka nahavita izany. Nikaroka an’ilay terafima i Labana ary tonga tao an-tranolain’i Rahely. Nanazava i Rahely hoe tsy tsaratsara izy satria tonga fotoana, ka tsy afa-nitsangana fa nipetraka teo ambonin’ilay harona nisy an’ilay terafima. Tsy tratra àry izy.—Ge 30:25-30; 31:4-35, 38.
Mbola tian’i Jakoba kokoa noho i Lea foana i Rahely, ary hita izany rehefa teny an-dalana hihaona tamin’i Esao rahalahiny izy. Nataony tany amin’ny farany mantsy i Rahely sy ilay lahitokany, satria azo inoana fa io no hitany hoe toerana voaro indrindra, raha sanatria nanafika i Esao. (Ge 33:1-3, 7) Nonina kelikely tany Sokota i Jakoba, avy eo tany Sekema, ary taorian’izay tany Betela. Nandeha nianatsimo izy avy eo, ary mbola tsy tonga tany Betlehema dia niteraka an’i Benjamina zanany lahy faharoa i Rahely. Maty teo am-piterahana anefa i Rahely. Nalevin’i Jakoba teo amin’ilay toerana izy ary nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasany i Jakoba.—Ge 33:17, 18; 35:1, 16-20.
Tsipiriany kely fotsiny no resahin’ny Baiboly momba an’i Rahely, ka tsy ahalalana tsara ny toetrany. Mpivavaka tamin’i Jehovah izy (Ge 30:22-24), nefa nanao fahadisoana toy ny olon-drehetra ihany. Nangalatra an’ilay terafima, ohatra, izy ary fetsy ka tsy tratra. Mety ho avy tamin’ny fianakaviany no nahazoany izany toetra izany. Tena tian’i Jakoba anefa izy na teo aza ny fahalemeny. I Rahely no noheverin’i Jakoba ho tena vadiny, na dia rehefa antitra aza i Jakoba. Tiany kokoa noho ny zanany lahy hafa rehetra ireo naterak’i Rahely. (Ge 44:20, 27-29) Tsotra ny tenin’i Jakoba tamin’i Josefa, taloha kelin’ny nahafatesany, nefa ahitana ny haben’ny fitiavany an’i Rahely. (Ge 48:1-7) Voalaza fa “niavian’ny taranak’Israely [Jakoba]” i Rahely sy Lea.—Rt 4:11.
Nahoana no nangalarin’i Rahely ny ‘terafiman-drainy’? Mety hanampy antsika hahalala izany ny zavatra hita tany ambanin’ny tany. (Ge 31:19) Nahitana takela-tanimanga misy soratra miendri-pantsika (natao tamin’ny 1500 T.K. tany ho any) tany Nouzi, tany amin’ny faritra avaratra amin’i Mezopotamia. Voalazan’izy ireny fa nihevitra ny olona sasany fahiny hoe izay nanana ny andriamanitry ny fianakaviana no nanan-jo ara-dalàna handova ny fananan’ilay fianakaviana. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 219, 220) Misy manombantombana àry hoe nihevitra i Rahely fa efa zanaka natsangan’i Labana i Jakoba ka nanan-jo handova tamin’ny fananan’i Labana. Naka an’ilay terafima àry i Rahely mba ho antoka ny amin’izany, na mba hahazoan’i Jakoba tombony mihoatra noho ny zanakalahin’i Labana mihitsy aza. Angamba koa i Rahely nihevitra hoe raha tany aminy ny andriamanitry ny fianakaviana, dia ho voasakana i Labana raha nieritreritra ny hitory ka haka ny sasany tamin’ny harena azon’i Jakoba tamin’izy niasa ho an’i Labana. (Ampit. Ge 30:43; 31:1, 2, 14-16.) Tombantombana fotsiny anefa ireo, satria tsy fantatra hoe tena nanaraka an’izany fombafomba izany ve ry Labana sa tsia, ary tena andriamanitry ny fianakaviana ve ilay terafima sa tsia.
Tany “Zelza any amin’ny faritanin’i Benjamina” no nisy ny fasan’i Rahely, ary mbola tsy fantatra hoe taiza marina izy io, tamin’ny andron’i Samoela, 600 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (1Sa 10:2) Araka ny lovantsofina, dia any amin’ny 1,5 km eo ho eo any avaratr’i Betlehema ilay izy. Faritanin’ny fokon’i Joda anefa io toerana io, fa tsy an’ny fokon’i Benjamina. Misy àry milaza fa tany avaratra kokoa ilay izy, nefa tsy dia zava-dehibe ny ahafantarana hoe taiza marina izy io.
Nahoana no lazaina hoe hitomany an’ireo zanany i Rahely, nefa izy aza efa an-jatony taona maro no maty?
Milaza ny Jeremia 31:15 fa mitomany an’ireo zanany nentina tany amin’ny tanin’ny fahavalo i Rahely, ary re hatrany Rama (tany avaratr’i Jerosalema, tao amin’ny faritanin’i Benjamina) ny fitomaniany. (Jereo RAMA, II No. 1.) Resahina imbetsaka eo amin’ny andinin-teny manodidina (Je 31:6, 9, 18, 20) i Efraima, izay ampiasaina matetika hilazana an’ilay fanjakan’ny Israely tany avaratra. Misy manam-pahaizana àry mino fa miresaka momba an’ireo vahoakan’ilay fanjakana tany avaratra, izay nataon’ny Asyrianina sesitany, ilay faminanian’i Jeremia. (2Mp 17:1-6; 18:9-11) Tena mety ny ampiasana ilay anarana hoe Rahely amin’izay, satria izy no razamben’i Efraima (zanak’i Josefa), ary i Efraima no foko lehibe indrindra tamin’ilay fanjakana tany avaratra. Azo eritreretina koa anefa hoe miresaka momba ny nanaovana sesitany an’ireo vahoakan’ny fanjakan’ny Israely sy Joda ilay faminanian’i Jeremia. (Natao sesitany tany Babylona ny vahoakan’ny Joda.) Ampiasaina hilazana ny reny israelita rehetra ny hoe Rahely amin’izay, ary mety tsara izany satria tsy renin’i Josefa fotsiny izy fa renin’i Benjamina koa, ary anisan’ny foko tao amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo ny fokon’i Benjamina. Toa very maina ny niterahan’ireo reny ireo zanakalahy, rehefa natao sesitany ny Israelita. Mampahery anefa ilay fampanantenan’i Jehovah hoe “hiverina avy any amin’ny tanin’ny fahavalo tokoa” ireny olona natao sesitany ireny.—Je 31:16.
Nanonona an’ilay faminanian’i Jeremia i Matio rehefa nitantara momba ny namonoana an’ireo zazalahikely tany Betlehema, araka ny baikon’i Heroda. (Mt 2:16-18) Tsy lavitra an’i Betlehema ny fasan’i Rahely (na dia toa tsy mifanaraka amin’izay voalazan’ny lovantsofina aza izany). Mety tsara àry ny nampiasana an’ilay hoe mitomany i Rahely mba hilazana ny fahorian’ireo reny rehefa novonoina ny zanak’izy ireo. Tena nitovy tamin’ilay nolazain’i Jeremia ilay notantarain’i Matio ka vao mainka tena mety ny nanononan’i Matio an’ilay faminaniana. Teo ambany fahefan’ny firenen-kafa mantsy ny Israelita, ary nesorina tsy ho eo aminy ny zanany lahy. Tsy faritra iray toy ny fahiny ilay “tanin’ny fahavalo” nandefasana an’ireny zazalahikely ireny, fa ny fasana na ny faritra anjakan’ny Fahafatesana. (Ampit. Sl 49:14; Ap 6:8.) Antsoina koa hoe ilay “fahavalo farany” ny fahafatesana, ary hofoanana izy io. (Ro 5:14, 21; 1Ko 15:26) Toy ny hoe natao sesitany tany ireo zazalahikely, ka hiverina avy any izy ireo rehefa hatsangana amin’ny maty.