Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rama, I

Rama, I

(Ràma).

1. Zanakalahin’i Kosy lahimatoan’i Hama izy, ary rahalahin’i Nimroda. Taranak’i Rama sy ireo zanany roa lahy, izany hoe i Sheba sy Dedana, ny telo tamin’ireo fianakaviana 70 niaina taorian’ny Safodrano. (Ge 10:6-8; 1Ta 1:9) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanao raharaham-barotra tamin’i Tyro ireo foko taranak’i Rama sy Dedana ary Sheba. (Ezk 27:20, 22) Tsy tena fantatra ny toerana nonenan’ilay foko taranak’i Rama, saingy azo inoana hoe tany Rama, tanàna any akaikin’i Maʽin any atsimoandrefan’i Arabia.

[2-4: Avo]

2. Taranak’i Joda avy tamin’i Pereza sy Hezrona. Velona tamin’ny fotoana nipetrahan’ny Israely tany Ejipta izy. Toa tsy i Rama no lahimatoa tamin’ireo telo lahy zanak’i Hezrona, kanefa ny lisitry ny taranany hatrany amin’i Davida no voatonona voalohany. (1Ta 2:4, 5, 9-17, 25) Razamben’i Jesosy izy satria taranany i Nasona sy Boaza ary Davida. (No 1:7; Rt 4:18-22; Mt 1:3, 4) Ao amin’ny lisitry ny razamben’i Jesosy nosoratan’i Lioka, dia natao hoe Arny ny anarany (na Arama any amin’ny sora-tanana sasany).​—Lk 3:33.

3. Lahimatoan’i Jeramela ary zana-drahalahin’i Rama No. 2. Niteraka telo lahy izy.​—1Ta 2:9, 25, 27.

4. Razamben’ny fianakavian’i Eliho.​—Jb 32:2.