Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rama, II

Rama, II

(Ràma) [Avo].

Teny hebreo midika hoe haavo na toerana avo. (Ezk 16:24) Anaran-toerana maromaro tany Israely.

1. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Benjamina. Tononin’ny Josoa 18:25 eo anelanelan’i Gibeona sy Berota izy io. Toa tany akaikin’ilay Betela tany amin’ny faritra atsimon’ny faritanin’i Efraima no nisy azy. (Mpts 4:5) Nandalo an’i Jerosalema ny Levita iray nandeha nianavaratra ka tonga tao Gibea, ary toa i Rama no tanàna nanaraka. (Mpts 19:11-15; Ho 5:8) Teo akaikin’i Geba no nisy an’i Rama. (Is 10:29) Izany rehetra izany sy ny fanamarinan’i Eusèbe no mahatonga olona maro hilaza an’i Rama any Benjamina ho i er-Ram, izay 8 km eo ho eo any avaratr’i Jerosalema, 3 km any avaratr’i Gibea, 5 km any atsinanan’i Gibeona, ary 3 km any andrefan’i Geba. Avo toerana ilay tanàna, araka ny anarany.

Lasa nisongadina i Rama, rehefa nizara roa ny fanjakan’ny Israely. Teo akaikin’ny sisin-tany nanasaraka ny Israely sy Joda mantsy no nisy azy, ary teo amin’ny lalana nampitohy ny avaratra sy atsimo tany amin’ireo toerana be havoana. Nanomboka nanitatra na nanamafy an’i Rama tany Benjamina i Basa mpanjakan’ny Israely, tamin’izy niady tamin’i Asa. (1Mp 15:16, 17; 2Ta 16:1) Nanafika ny tanin’ny Israely tany avaratra anefa ny mpanjakan’i Syria, ka tsy nanorina an’i Rama intsony i Basa. Nalain’i Asa i Rama sy ny fitaovana rehetra nanorenan’i Basa azy io, ka ireny no nampiasain’i Asa Mpanjaka mba hanorenana an’i Geba sy Mizpa, izay tsy lavitra teo. (1Mp 15:20-22; 2Ta 16:4-6) Toa novorina tao Rama aloha ireo Jiosy babo, izay vao nentina tany Babylona, rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (Je 40:1) Nonenana indray i Rama, taorian’ny sesitany.​—Ezr 2:1, 26; Ne 7:30; 11:33.

Misy manam-pahaizana milaza fa ny fanangonana ny Jiosy tao Rama talohan’ny hanaovana azy ireo sesitany (na angamba ny namonoana ny Jiosy sasany tao) no tiana holazaina amin’ny hoe: “Misy feo re any Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana. Mitomany an’ireo zanany mantsy i Rahely, ary tsy mety hampiononina izy, satria tsy eo intsony ireny.” (Je 31:15) Naniry mafy ny hanan-janaka i Rahely vadin’i Jakoba ka nilaza fa “ho faty” izy raha tsy miteraka. (Ge 30:1) Ampiasaina an’ohatra àry ny hoe Rahely, rehefa nolazaina fa nitomany izy noho ireo Jiosy novonoina na nobaboina. Na satria renin’i Benjamina i Rahely, dia te hilaza angamba i Jeremia hoe mitomany an’ireo Benjamita mponina tao Rama i Rahely. Nilaza koa i Jeremia fa misy fanantenana satria mbola hody ireo natao sesitany. (Je 31:16) Milaza ny Matio 2:18 fa tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Jeremia 31:15 rehefa nasain’i Heroda novonoina ny ankizy madinika tao Betlehema.​—Jereo RAHELY.

2. Tanànan’ny fokon’i Simeona saingy tao amin’ny faritanin’i Joda tany Negeba. (Js 19:1, 8) Izy io ihany ilay Baleta-bera ary nantsoina koa hoe “Rama any atsimo.” Misy mihevitra azy io ho i Kirbet Gazzah (Horvat ʽOza), tokotokony ho 30 km any atsinanan’i Beri-sheba.​—Jereo BALETA-BERA.

3. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Asera, ary ny Josoa 19:24, 29 ihany no miresaka azy io. Tsy manampy hahalalana ny tena toerana nisy azy io tao amin’ny lovan’i Asera ireo andininy ireo. Na izany aza, dia toa tany avarabaratra tany akaikikaikin’i Tyro no nisy azy.

4. Tanàna voaro mafy tao amin’ny faritanin’i Naftaly. (Js 19:32, 36) Misy mihevitra azy io ho i Kirbet Zeiton er-Rame (antsoina koa hoe Kirbet Jol), eo atsinanana kelin’i er-Rame (Rama), ary 30 km eo ho eo atsinanan’ny seranan’i Ako. Ao amin’ny Josoa ihany no misy firesahana momba azy io ka tsy fantatra izay toerana tena nisy azy.

5. Tanàna niavian’i Samoela mpaminany sy ny ray aman-dreniny. Milaza ny 1 Samoela 1:1 fa i Elkana rain’i Samoela, dia lehilahy “tao Ramataima-zofima any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.” Ilay anarana lava kokoa no notononina voalohany, angamba mba hanavahana an’io Rama io tamin’ilay Rama any Benjamina. Ilay fanafohezana hoe “Rama” kosa no ampiasaina manerana an’ilay boky manontolo. (1Sa 1:19) Milaza ny soratra nataon’ny Masoreta fa Zofita i Elkana, izany hoe na izy taranak’i Zofa (Zofay), na izy avy any amin’ny faritr’i Zofa.​—1Ta 6:27, 28, 34, 35; 1Sa 9:5.

Milaza ny lovantsofina tranainy notantarain’i Eusèbe fa i Rama, hono, ilay antsoina ankehitriny hoe Rentis (Rantis), any amin’ireo havoanan’i Efraima, tokotokony ho 35 km any avaratrandrefan’i Jerosalema. Raha marina izany, dia io ihany ilay toerana antsoin’ny Soratra Grika Kristianina hoe Arimatia (endriny gr. amin’ilay teny heb. hoe Ramah).​—Lk 23:50-53.

Tao Rama i Elkana no nonina, ary azo inoana fa tao i Samoela no teraka. Nankany Silo isan-taona anefa i Elkana mba hanao sorona. (1Sa 1:3, 19; 2:11) Na dia niara-niaina tamin’i Ely mpisorona tao Silo aza i Samoela, nandritra ny fotoana kelikely, dia tao Rama izy no nonina tamin’ny farany, ary avy tao izy no niainga isaky ny hitety an’ireo faritra mba hitsara ny Israely ary tao izy no nody avy eo. (1Sa 3:19-21; 7:15-17; 8:4; 15:24-35; 16:4, 13; 19:18-24) Rehefa maty i Samoela, dia nalevina tao Rama “tao an-tanànany”, tany amin’izay nisy ny tranony.​—1Sa 25:1; 28:3.

6. Fanafohezana ny hoe Ramota-gileada.​—2Mp 8:28, 29; 2Ta 22:5, 6; jereo RAMOTA-GILEADA.