Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ramanavy

Ramanavy

[Heb.: ʽatallef].

Biby mampinono miendrika totozy, saingy manana elatra lehibe manify azo aforitra. Anisan’ny biby manidina maloto izy io, hoy ny Baiboly, ka tsy azon’ny Israelita nohanina. (Le 11:19; De 14:18) Misy karazana ramanavy (chiroptères) 20 eo ho eo any Israely ankehitriny.

Matory mitsingoloka ao amin’ny lava-bato maizimaizina na trano aolo ny ramanavy rehefa antoandro. Mandeha mihaza kosa izy rehefa mihamaizina ny andro. Misy fofona maimbo toy ny fofom-boalavo ny toerana atorian’ny ramanavy maro be. Azo atao zezika tsara ny tain-dramanavy miavosa ao amin’ny lava-bato sasany ipetrahany. Zatra mipetraka amin’ny toerana maizina izy ireny, ka nilaza i Isaia mpaminany fa hariana any amin’ireny ny andriamanitra volafotsy sy volamena. Toerana maizina sy maloto mantsy no mendrika an’ireo sampy, fa tsy ny toeram-boninahitra omen’ny mpanompony azy.​—Is 2:20.