Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ramesesa

Ramesesa

(Ramesèsa) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Niteraka Azy i Ra [ilay andriamanitra masoandro]”].

Nasaina nipetraka “tao Ramesesa” ry Jakoba mianakavy, rehefa nifindra nankany Ejipta. (Ge 47:11) Resahin’ny andininy hafa koa anefa hoe nipetraka tao Gosena izy ireo. Toa faritra iray tao Gosena àry i Ramesesa, na anarana hafa ilazana an’i Gosena. (Ge 47:6) Lasa andevo ny Israelita tatỳ aoriana, ka nasaina nanorina “tanàna ho an’i Farao”, “mba ho fitehirizana entana sy vokatra, dia ny tanànan’i Pitoma sy Ramesesa.” (Ek 1:11) Samy hafa kely ny teboka solon’ny zanatsoratra eo amin’io “Ramesesa” io sy ilay ao amin’ny Genesisy 47:11, amin’ny teny hebreo. Milaza ny manam-pahaizana maro fa natao hoe Ramesesa ny anaran’ilay tanàna, satria tao amin’ny faritr’ilay Ramesesa voalazan’ny Genesisy 47:11 izy io.

Voalaza fa niainga avy tao Ramesesa ny Israelita rehefa nafahana avy tany Ejipta. Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa ilay tanànan’i Ramesesa io toerana niaingan’izy ireo io, satria tao angamba no nifanao fotoana ny Israelita eran’ny lafivalon’i Gosena. Mety ho ilay faritra anefa no tiana holazaina amin’ny hoe Ramesesa eto, ary mety ho avy tany amin’izay rehetra nisy azy eran’ilay faritra ny Israelita, ka tao Sokota no fotoana.​—Ek 12:37; No 33:3-5.

Tsy tena fantatra hoe tao amin’ilay tanàna sa tao amin’ilay faritra no niaingan’ny Israelita. Mihevitra ny manam-pahaizana ankehitriny fa ilay tanàna nantsoin’ny soratra ejipsianina hoe Per-Ramesesa (Tranon’i Ramsès), io Ramesesa io. Milaza ny sasany hoe i San el-Hagar eo amin’ny farany avaratratsinanan’ny Vinany izy io, fa ny hafa kosa miteny hoe i Kantir, 20 km eo ho eo any atsimo, izy io. Mihevitra mantsy izy ireo fa i Ramsès II ilay Farao nandefa ny Israelita. Nisy tokoa soratra nahitana ny filazan’i Ramsès hoe izy no nanorina ilay tanàna mitondra ny anarany (Per-Ramesesa), ary nampiasa andevo izy tamin’izany. Tsy azo inoana loatra anefa hoe i Ramsès II ilay mpanjaka tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita. Tany amin’ny taonjato faha-13 T.K. mantsy izy vao nanjaka, izany hoe 200 na 300 taona teo ho eo taorian’ilay fanafahana (tamin’ny 1513 T.K.). Efa talohan’ny nahaterahan’i Mosesy koa no naorina ilay Ramesesa resahin’ny Baiboly, izany hoe 80 taona mahery talohan’ilay fanafahana. (Ek 1:11, 15, 16, 22; 2:1-3) Misy koa mihevitra fa renivohitra i Per-Ramesesa tamin’ny andron’i Ramsès II. “Fitehirizana entana” fotsiny anefa ilay Ramesesa resahin’ny Baiboly. Eken’ny rehetra koa fa efa fahazaran’i Ramsès II ny mihambo ho nahavita zavatra sasany, nefa mpanjaka teo alohany no nanao ilay izy raha ny marina. Mety ho naoriny indray na nohalehibeaziny fotsiny àry i Per-Ramesesa. Efa hatramin’ny andron’i Josefa (tamin’ny taonjato faha-18 T.K.) koa no nampiasana ny anarana hoe Ramesesa. Tsy mitombina mihitsy àry ny hoe tamin’ny andron’i Ramsès II ihany no nisy tanàna nantsoina hoe Ramesesa. (Ge 47:11) Efa hatry ny ela koa no be mpitia io anarana io tany Ejipta, noho ilay dikany. Maromaro àry ny tanàna nantsoina hoe Ramesesa, tamin’ny andron’i Ramsès II. Hoy i D. Redford: “Marina fa mitovitovy ny anaran’ilay antsoin’ny Baiboly hoe Ramesesa sy ilay renivohitra Pr Rʽ-ms-sw [Per-Ramesesa]. Toa tsy misy ifandraisany mihitsy anefa izy ireo. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hilaza hoe tanàna iray ihany izy roa ireo, satria tsy misy porofon’izany mihitsy.”​—Testamenta Taloha (latinina), Leyde, 1963, p. 410.

Ny hany azontsika lazaina dia hoe mety tsy ho lavitra an’ilay renivohitr’i Ejipta i Ramesesa, tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita. Nanam-potoana nankanesana tany an-dapan’i Farao mantsy i Mosesy ny alina nitrangan’ilay loza fahafolo, ary avy eo mbola afaka nitarika ny vahoakan’Israely hiala tany Ejipta raha mbola tsy nifarana ny andro manaraka. (Ek 12:31-42; No 33:1-5) Raha i Memfisa no renivohitra tamin’izay (izay efa renivohitra nandritra ny taonjato maro rahateo), dia tsy mahagaga raha milaza ny lovantsofina jiosy fa teny akaikin’i Memfisa ny Israelita no niainga (tao Ramesesa).​—Ampitahao amin’ny Rakitry ny Ela Jiosy, II, 315 (xv, 1), izay milaza hoe Letopolisy, toerana tsy lavitra an’i Memfisa, no niaingan’izy ireo.