Rameva
[Heb.: gamal; beker, “ramevalahy tanora” (Is 60:6); bikrah, “ramevavavy tanora” (Je 2:23); kirkarôht, “ramevavavy haingam-pandeha” (Is 66:20); gr.: kamelôs].
Biby mpitondra entana sy olona hatry ny ela, indrindra any an-tany efitra. Misy karazany roa ny rameva: Ao ilay atao hoe Camelus dromedarius, izay manana trafo iray monja, ary io, hono, ilay resahin’ny Baiboly. Ao koa ilay atao hoe Camelus bactrianus izay manana trafo roa, matanjaka kokoa, ary mahazaka entana kokoa noho ilay manana trafo iray.
Efa natao hipetraka any an-tany efitra ny rameva, ka ataon’ny olona solon’ny soavaly na ampondra izy io any. Miaro azy amin’ny hafanam-be ny volony matevina. Azony akatona ny vavorony lavalava kely, ka tsy tafiditry ny vovoka manidina. Miaro ny masony amin’ny fasika mitorajofo koa ny hodi-masony matevina sy ny volomasony lava. Mafy ny hodi-tongony ary matevina ny faladiany, ka ahafahany mandeha amin’ny fasika malemy mora miletsy. Vao teraka izy dia efa misy hoditra matevina ny tratrany sy ny lohaliny. Miaro azy amin’ny fasika mahamay na zavatra marokoroko izy io, rehefa mipetraka izy. Mafy ny nifiny ka saika voatsakony daholo na inona na inona. Tsy andaniam-bola ny sakafony, satria zavamaniry fahita any an-tany efitra ihany no haniny, fa tsy dia mila voamadinika izy.
Toy ny kitapom-batsy fentina mandeha ny trafony, ka saika io tavy io ihany no tahirin-tsakafony. Raha io ihany no sakafony fa tsy mahita hohanina elaela izy, dia hitolefika sy hikirazorazo toy ny kitapo tsy misy na inona na inona eo andamosiny ny hoditr’ilay trafo. Natao teo amin’ny trafon’ny rameva ny entana fahiny, toy ny ankehitriny ihany. (Is 30:6) Natao teo koa ilay “harom-behivavy teo amin’ny laselin-drameva.”—Ge 31:34.
Tsy marina ny hoe fitehirizan’ny rameva rano ny trafony. Heverina fa tsy mampaninona azy ny tsy misotro rano elaela, satria tsy dia manary rano ny vatany. Ny orony hafakely koa mahavita misintona ny eton-drano amin’ny rivotra avoakany. Tsy mampaninona azy koa raha mihena be ny rano ao amin’ny vatany (hatramin’ny 25 isan-jaton’ny lanjany, nefa ny an’ny olona hatramin’ny 12 isan-jato monja). Tsy hoatran’ny biby hafa izy fa tsy mora tsemboka, satria zakany na dia misy fiovana 6° C aza ny mari-panan’ny vatany. Hafakely koa ny rany satria afaka mikoriana ihany, na dia tsy misotro rano andro maromaro aza izy. Afaka mamerina ny lanjany ho toy ny teo aloha izy, noho izy mahalany
rano hatramin’ny 135 L ao anatin’ny folo minitra monja.Misy rameva afaka mandeha haingana be. Miresaka an-kolaka an’izany ny 1 Samoela 30:17, izay mitantara fa zatovolahy 400 nitaingina rameva ihany no afa-nitsoaka, rehefa resin’i Davida ireo Amalekita mpanafika.
Biby maloto ny rameva, araka ny Lalàna, ka tsy azon’ny Israelita nohanina. (Le 11:4; De 14:7) Notenomina ho akanjo anefa ny volon-drameva, toy ny nanaovana ny fitafian’i Jaona Mpanao Batisa. (Mt 3:4; Mr 1:6) Mbola misy akanjo volon-drameva ankehitriny.
Efa nampiasaina hatry ny ela. Ny rameva be dia be azon’i Abrahama tamin’izy nivahiny tany Ejipta no rameva voalohany resahin’ny Baiboly. (Ge 12:16) Rameva folo no nitondran’ny mpanompony fanomezana isan-karazany, tamin’izy nirahina hitady vady ho an’i Isaka tany Mezopotamia. (Ge 24:10) Nitaingina rameva ny Ismaelita maromaro niara-dia ho any Ejipta nividy an’i Josefa tamin’ny rahalahiny.—Ge 37:25-28.
“Nanan-karena indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra” i Joba. Anisan’ny biby fiompiny ny rameva 3000. Notahin’i Jehovah be dia be izy rehefa tsy nivadika, ka lasa nanana rameva 6000 sy biby fiompy hafa maro be.—Jb 1:3; 42:12.
Voan’ny loza nalefan’Andriamanitra tamin’i Ejipta nofehezin’i Farao, ny rameva sy ny biby fiompy hafa. (Ek 9:3, 10, 25; 12:29) Azo inoana fa nitondra rameva ny Israelita namakivaky ny tany efitra, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza izany.
Ny rameva voalohany noresahin’ny Baiboly taorian’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia ny ramevan’ny Midianita mpanafika. Nanenika an’ilay tany izy ireo sy ny ‘ramevany tsy hita isa’, ka lasa nahantra be ny vahoakan’Andriamanitra. (Mpts 6:5; 7:12) Nandresy fahavalo ny Israelita indraindray rehefa nampian’i Jehovah, ka namabo rameva maro be, toy ireo 50 000 azony indray mandeha.—1Ta 5:21; 2Ta 14:15.
Niady tamin’ny Gesorita, Girzita, ary Amalekita i Davida (efa nataon’i Saoly fahavalom-pirenena) sy ny olony, ka naripany na lehilahy na vehivavy. Nobaboiny kosa ny biby fiompy, anisan’izany ny rameva. (1Sa 27:8, 9) Niandraikitra manokana ny ramevan’i Davida Mpanjaka i Obila. (1Ta 27:30) Rameva maromaro no nitondran’ny mpanjakavavin’i Sheba fanomezana ho an’i Solomona Mpanjaka. Nentin’ny rameva 40 koa ny fanomezana nalefan’i Beni-hadada II mpanjakan’i Syria ho an’i Elisa mpaminany.—1Mp 10:1, 2; 2Mp 8:9.
Miaramila handresy an’i Babylona no tian’i Isaia mpaminany holazaina amin’ny hoe “kalesin’ady tarihin-drameva.” (Is 21:7) Nampiasa rameva tokoa i Kyrosy rehefa nanafika, hoy i Hérodote (I, 80), Grika mpahay tantara. Resahin’ny Ezekiela 25:5 fa hiharan-doza i Raba, renivohitry ny Amonita, ka ho lasa “kijana ho an’ny rameva.” Toy ny ramevavavy tanora mirenireny mitady lahy ny Israelita nivadika, izay nanana fifandraisana mamoafady tamin’ny firenena mpanompo sampy nanodidina azy.—Je 2:23, 24.
Ho toy ny loza nanjo ny biby fiompy tany Ejipta no hanjo ny rameva sy ny biby fiompy hafan’ny firenena hiady amin’ny vahoakan’i Jehovah eto an-tany. (Za 14:12, 15) Handrakotra ny tanin’ny vahoakan’Andriamanitra avy tany an-tsesitany, ny “andian-drameva izay toa manonjanonja ny fahitana azy mitanjozotra” mitondra fanomezana. Hoentin’ny rameva sy ny biby hafa ho any Jerosalema koa ny rahalahin’ny mpanompon’Andriamanitra avy any amin’ny firenena rehetra, “ho fanomezana ho an’i Jehovah.” (Is 60:6; 66:20) Nanana rameva 435 sy biby fiompy hafa ny Jiosy nody avy tany Babylona (537 T.K.), rehefa tanteraka voalohany ny faminanian’i Isaia hoe hiverina any amin’ny taniny ny Israelita.—Ezr 2:67; Ne 7:69.
Heviny an’ohatra. Niresaka rameva an’ohatra i Jesosy. Ho mora kokoa, hoy izy indray mandeha, ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ilay Fanjakana. (Mt 19:24; Mr 10:25; Lk 18:25) Misy milaza fa “tady” fa tsy “rameva” no tokony ho eo. Hoy ny fanamarihana ambany pejin’ny Matio 19:24, ao amin’ny Testamenta Vaovao na Fanekem-pihavanana Vaovao: “Rameva (grika: khamèlos): misy te handika hoe tadimahazaka (grika: khamilos).” Mitovitovy tokoa ny teny grika nadika hoe tady (kamilôs) sy rameva (kamelôs) ka mety ho nifangaro, hono. “Tady” ny hoe kamilôs, hoy ny Rakibolana Grika-Anglisy (nataon’i Liddell sy Scott, ary nohavaozin’i Jones, Oxford, 1968, p. 872). Lazainy koa anefa fa mety ho noforonina ny hoe “tady” mba hanovana ilay hoe: “Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Kamelôs àry fa tsy kamilôs no tao amin’ny soratra grika tany am-boalohany.
Kamelôs no ao amin’ny sora-tanana grika tranainy indrindra ananantsika misy ny Filazantsaran’i Matio (ny Sinaiticus, Vaticanus No. 1209, ary Alexandrinus). Nosoratan’i Matio tamin’ny teny hebreo aloha ny fitantarany ny fiainan’i Jesosy, ary avy eo mety ho nadikany tamin’ny teny grika. Fantany tsara àry ny teny nampiasain’i Jesosy sy ny tiany holazaina ary ny teny grika mifanitsy amin’ilay izy. Kamelôs koa no nampiasain’ny sora-tanana grika tranainy indrindra ananantsika. Marina àry ilay dikan-teny hoe “rameva.”
Tsy tokony horaisina ara-bakiteny ilay fanoharan’i Jesosy, satria tsy ho tafiditra ao amin’ny vodifanjaitra mihitsy ny rameva. Te hilaza àry izy fa vao mainka tsy ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpanankarena mifikitra amin’ny harenany.—JereoNomelohin’i Jesosy ny Fariseo mpihatsaravelatsihy satria ‘tantavanin’izy ireo ny moka amin’ny zava-pisotrony, nefa ateliny ny rameva.’ Notantavaniny tokoa ny moka tamin’ny divainy, satria bibikely ilay izy sady nolazain’ny Lalàna fa maloto, nefa toy ny hoe nateliny ny rameva izay maloto koa. Notandremany tsara mantsy ny kely indrindra tamin’ny Lalàna, saingy tsy noraharahainy izay zava-dehibe kokoa, dia ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.—Mt 23:23, 24.