Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ramota-gileada

Ramota-gileada

(Ramôta-gileàda) [mety hidika hoe Toerana Avon’i Gileada].

Tanàna tsara toerana tao amin’ny tanin’i Gada, tany atsinanan’i Jordana. Afohezina hoe Rama koa io anarana io indraindray. (2Mp 8:28, 29; 2Ta 22:5, 6) Iray tamin’ireo tanànan’ny Levita tany atsinanan’i Jordana izy io (1Ta 6:80), ary voafidy ho anisan’ny tanàna fialokalofana. (De 4:43; Js 20:8; 21:38) Nanendry lehibem-paritra iray tany Ramota-gileada i Solomona hiandraikitra an’ireo tanànan’i Gileada sy Basana, mba hamatsiana sakafo ny mpanjaka.​—1Mp 4:7, 13.

Nitana toerana lehibe i Ramota-gileada, rehefa notafihin’i Syria ny tanin’ny Israely (efa nizara ny fanjakana tamin’izay). Toa avy tao mantsy no nahafahana niditra tao amin’ny tanin’ny Israely tany atsinanan’i Jordana. Nisy fotoana lasan’ny Syrianina i Ramota-gileada. Nampanantena i Beni-hadada II fa haveriny amin’ny Israelita ireo tanàna nalain’ny Syrianina teo aloha. Toa tsy naveriny anefa i Ramota-gileada. (1Mp 20:34) Niezaka àry i Ahaba mpanjakan’ny Israely mba hahazo azy io indray, ary nanampy azy i Josafata mpanjakan’ny Joda. Efa noraran’i Mikaia tsy hanao ilay ady izy, nefa nandeha ihany ka maty tany.​—1Mp 22:13-38.

Niady tamin’ny Syrianina tany Ramota-gileada koa i Jorama zanakalahin’i Ahaba sy Ahazia mpanjakan’ny Joda. Hoy ny 2 Mpanjaka 9:14: “Niambina tany Ramota-gileada i Jorama ... noho ny amin’i Hazaela mpanjakan’i Syria.” Mety ho efa azon’i Jorama ilay tanàna, matoa izy niaro azy io (fa tsy nanafika) rehefa niady tamin’i Hazaela izy sy Ahazia. Naratra tamin’ilay ady izy, ka niverina tany Jezirela mba hotsaboina.​—2Mp 8:25-29; 9:14, 15; 2Ta 22:5-8.

Nankany Ramota-gileada ny mpanompon’i Elisa mba hanosotra an’i Jeho, lehiben’ny tafika, ho mpanjaka vaovao teo amin’ny Israely.​—2Mp 9:1-14.

Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Ramota-gileada. Misy milaza azy io ho i Tell Ramit, tokotokony ho 45 km any atsimoatsinanan’ny tendrony atsimon’ny Ranomasin’i Galilia. Mety ho avy amin’ny hoe Ramota-gileada ny anaran’io dongona io. Eo an-tampon-kavoana ahatazanana lemaka iray no misy azy io, izay mifanaraka amin’ny mety ho dikan’ny hoe Ramota (Toerana Avo; avy amin’ny fototeny midika hoe “miakatra”). Mety tsara amin’ny lehibem-paritra niandraikitra an’i Gileada sy Basana ilay toerana.​—1Mp 4:13.