Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ranjo

Ranjo

Faritra ambany eo anelanelan’ny lohalika sy ny kitrokely. Ilazana ny ranjon’ny biby natao sorona mazàna ny hoe keraʽayim (heb.). (Le 1:9, 13; 4:11, 12; 8:21; 9:14) Indray mandeha kosa izy io no ilazana ny ‘fe itsambikinan’ny’ bibikely manana elatra sady mifanaretsaka. (Le 11:21) Miresaka mpiandry ondry misintona ranjo roa avy eny am-bavan’ny liona (satria tsy te hiantoka an’ilay ondry lanin’ny liona) ny Amosa 3:12. Tian’i Amosa mpaminany holazaina ao fa haringana i Samaria, indrindra fa ireo mpitondra tao, ka ho tena vitsy ireo ho afa-mandositra ny fahavalony oharina amin’ny liona.