Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rano

Rano

Zavatra mikoriana izay tena ilain’ny olona sy biby ary zavamaniry mba hivelomana. (Ek 17:2, 3; Jb 8:11; 14:7-9; Sl 105:29; Is 1:30) Rano ny ampahany lehibe amin’ny vatan’ny zavamiaina rehetra. I Jehovah no nanao (Ap 14:7) sy nanome azy io, ary voafehiny tsara izy io. (Ek 14:21-29; Jb 5:10; 26:8; 28:25; 37:10; Sl 107:35) Nomeny rano tamin’ny fomba mahagaga ny Israelita indraindray (Ek 17:1-7; Ne 9:15, 20; Sl 78:16, 20; Is 35:6, 7; 43:20; 48:21), ary nomeny tany be loharano (De 8:7). Hotahiny koa, hoy izy, ny ranon’izy ireo raha mankatò azy izy ireo.​—Ek 23:25.

Ny zavona nataon’i Jehovah niakatra avy tamin’ny tany no nandena voalohany ny tany. Nanao lalàna koa izy hoe miova ho etona ny rano ary mirotsaka ho orana. (Ge 2:5, 6; Jb 36:27; Am 5:8; jereo ORANA; RAHONA; ZAVONA.) Nanao habakabaka Andriamanitra tamin’ny andro faharoa, rehefa nosarahiny ny rano ka ny ankamaroany nataony teo ambonin’ilay habakabaka ary kelikely sisa tavela tetỳ an-tany. Io rano teo ambony io no nirotsaka ka nampisy ny Safodrano izay nandringanana ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa.​—Ge 1:6-8; 7:11, 17-24; Is 54:9.

Voararan’ny Lalàna nomena teo an-tendrombohitra Sinay ny manao ny sarin’ireo hazandrano “any anaty rano ambanin’ny tany”, na ao anaty renirano izany, na farihy, na ranomasina.​—Ek 20:4; De 4:15-18; 5:8.

Fanoharana sy heviny an’ohatra. Ilazana zavatra maro ny rano, ao amin’ny Baiboly. Oharina amin’ny rano, ohatra, ny vahoaka tsy milamina izay tafasaraka amin’Andriamanitra. Mipetraka “eo ambonin’ny rano maro” i Babylona Lehibe, na ilay mpivaro-tena lehibe mifehy ny tany manontolo. “Olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” ireo rano ireo, araka ny fahitan’i Jaona.​—Ap 17:1, 15; ampit. Is 57:20.

Mahery sady afaka mandravarava (mandentika, mifaoka, sy ny toy izany) ny rano, ka matetika no ilazana zavatra manimba. (Sl 69:1, 2, 14, 15; 144:7, 8) Oharina amin’ny rano koa ny tafika.​—Je 47:2.

Nampiasaina hidiovana ny rano tao amin’ny tranolay masina, na amin’ny heviny ara-bakiteny na an’ohatra. Nisasa tamin’ny rano ny mpisorona rehefa napetraka teo amin’ny toerany, ary nofafazana “rano manadio ho afaka amin’ny ota” ny Levita. (Ek 29:4; No 8:6, 7) Nisasa koa ny mpisorona rehefa hanompo tao amin’ny toerana masina sy hanatona ny alitaran’ny fanatitra dorana. (Ek 40:30-32) Nanadiovana fanatitra (Le 1:9) sy nidiovana araka ny notakin’ny lalàna ny rano. (Le 14:5-9, 50-52; 15:4-27; 17:15; No 19:1-22; jereo MADIO, FAHADIOVANA.) Toa rano madio nandrarahana vovoka avy tao amin’ny tranolay masina ilay “rano masina” nampisotroina an’izay vehivavy nahiahin’ny vadiny ho nanitsakitsaka azy.​—No 5:17-24, f.a.p.

Rano manome fiainana. “Loharanon’ny rano velona” i Jehovah. Izy ihany no afaka manome fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, ilay Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana. (Je 2:13; Jn 17:1, 3) Nilaza tamin’ilay vehivavy samaritanina teo amin’ny lavadrano akaikin’i Sykara i Jesosy, fa ‘ho loharano hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay’ ho an’izay misotro azy ny rano homeny.​—Jn 4:7-15.

Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, sy ny “reniranon’ny ranon’aina” nikoriana avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Nisy hazo namoa teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay renirano, ary ho fanasitranana ny firenena ny ravin’ireo hazo. (Ap 21:1; 22:1, 2) Nirahin’i Jesosy ny anjeliny hanazava ny fikasany, rehefa tapitra ilay fahitana. Izao no ren’i Jaona: “Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” Asain’ny mpanompon’Andriamanitra koa izay mangetaheta mba hanomboka hisotro, na hanaiky ny fandaharana ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanak’ondriny, ka ho afaka hiaina mandrakizay. (Jn 1:29) Afaka misotro amin’io ranon’aina io izy ireo dieny izao. Asaina hisotro amin’izy io izay rehetra maniry, ary omena maimaim-poana ilay rano fa tsy amidy mba hahazoana tombony.​—Ap 22:17.

Nilaza i Jesosy talohan’ny nahafatesany sy ny nitsanganany fa “hisy rano velona hikoriana” avy ao anatin’ny mpianany, izay hahazo ny fanahy masina. (Jn 7:37-39) Izany tokoa no nitranga rehefa nahazo ny fanahin’Andriamanitra nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 ireo apostoly sy mpianatra. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina ny zavatra niavaka vitan’izy ireo rehefa nizara an’ilay rano manome fiainana izy ireo, nanomboka tao Jerosalema ka hatrany amin’ny tany rehetra fantatra tamin’izany.

Mampaniry tsara ny voa nafafy. Nanoratra ho an’ny fiangonan’i Korinto ny apostoly Paoly hoe toy ny mpamboly ny mpitory. Mamafy ilay mpamboly, avy eo manondraka sy mikolokolo an’ilay voa, ary miandry an’Andriamanitra hampitombo an’ilay izy. Toy ny hoe namboly voa tao amin’ny ‘sahan’ny’ Korintianina koa i Paoly, tamin’izy nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tany Korinto. Nanolokolo an’ilay voa i Apolosy rehefa tonga nampianatra azy ireo, nefa Andriamanitra no nampitombo an’ilay izy tamin’ny alalan’ny fanahiny. Nasongadin’i Paoly àry fa tsy ny olona no zava-dehibe, fa Andriamanitra. Mpanompo sy mpiara-miasa aminy daholo ny mpitory, ary tahiny izy ireo satria miara-miasa sy tsy mitady tombony.​—1Ko 3:5-9.

Ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny rano manadio izy io. Madio eo imason’Andriamanitra ny fiangonana kristianina na ny ampakarin’i Kristy, satria nodiovin’i Jesosy ‘tamin’ny rano fandroana, tamin’ny alalan’ny teny.’ (Ef 5:25-27) Nampahatsiahivin’i Paoly fa tsy maintsy nisasa ny mpisorona talohan’ny nanompoany tao amin’ny tranolay masina. Hoy àry izy tamin’ireo Kristianina ho lasa mpisorona lefitr’i Kristy any an-danitra: “Manana mpisoronabe [Jesosy Kristy] miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra koa isika. Noho izany, dia aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana, satria ... ny vatantsika efa voasasa tamin’ny rano madio.” (He 10:21, 22) Voasasa tokoa izy ireo satria mahalala sy mampihatra ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany.

Rano anaovana batisa. Hoy i Jesosy tamin’i Nikodemosy: “Tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy.” (Jn 3:5) Toa ny rano anaovana batisa an’izay nibebaka sy niova no resahina eo. Atao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy, rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra.​—Ampitahao amin’ny Ef 4:4, 5 izay milaza fa “iray ny batisa.”

Hoy ny apostoly Jaona: “Izy, izany hoe i Jesosy Kristy, no ilay tonga tamin’ny alalan’ny rano sy ny ra ... Koa misy vavolombelona telo àry, dia ny fanahy sy ny rano ary ny ra. Mifanaraka tsara izy telo ireo.” (1Jn 5:5-8) Nangataka an’i Jaona Mpanao Batisa handroboka azy tao anaty rano i Jesosy (tsy hoe nibebaka izy, fa vonona kosa hanao ny sitrapon-dRainy) rehefa tonga “teo amin’izao tontolo izao”, izany hoe rehefa nanomboka ny fanompoany izay hiafara amin’ny fanaovana sorona ny ainy. (He 10:5-7) Nidina nankeo aminy ny fanahin’Andriamanitra avy eo, ka voaporofo fa Zanak’Andriamanitra sady Mesia izy. (Lk 3:21, 22) Ny rano nanaovana batisa azy sy ny rany natao sorona ary ny fanahin’Andriamanitra àry no miara-manaporofo fa izy tokoa no Mesia.

Heviny hafa. Hoy i Davida momba ny ratsy fanahy: “Ho levona toy ny zavatra alefa ao anaty rano mikoriana anie ireny!” (Sl 58:7) Ireo lohasaha falehan-driaka nolalovan’ny ranotrambo taorian’ny oram-be tany Palestina angamba no tao an-tsainy. Vetivety ihany anefa dia ritra ilay rano be, ka maina indray ilay lohasaha.

Naniraka miaramila vitsivitsy hanafika ny tanànan’i Ay ny Israelita, kanjo resy. “Nihorohoro” àry ny fon’ny vahoaka, “ka toy ny hoe nitsonika lasa rano ny herim-pony.” Fantany angamba fa tsy nampian’i Jehovah izy ireo satria tsy nankasitrahany. Nalahelo be i Josoa fa nandositra teo anatrehan’ny fahavalony ny Israely na ny tafik’i Jehovah ka afa-baraka ny anaran’i Jehovah.​—Js 7:5-9.