Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ranomandry

Ranomandry

Rano mivaingana noho ny hatsiaka (eo amin’ny 0° C no ho midina). Samy niresaka tamin’i Joba momba an’io zava-mahatalanjona io i Eliho sy Jehovah Andriamanitra. Hoy i Jehovah: “Kibon’iza no ivoahan’ny ranomandry? ... Toy ny hoe voafin’ny vato ny rano, ary lasa mivaingana ny fanambonin’ny rano lalina.” (Jb 36:1; 37:10; 38:1, 29, 30) Ny fiforonan’ny ranomandry na gilasy no resahina eo. Tsy hisy anefa izany raha tsy eo ilay zavatra hafakely mampiavaka ny rano: Mihamavesatra ny ranon’ny farihy sy ny ranomasina rehefa mihamangatsiaka. Maka ny toeran’ny rano mafana kokoa any ambany io rano mangatsiaka io, ka miakatra ny rano mafana satria maivana kokoa. Ny mifamadika amin’izany kosa no mitranga rehefa mihamangatsiaka ihany ny rano ka mahatratra 4° C eo ho eo. Rehefa mihamangatsiaka ihany izy io ka mihamanakaiky ny 0° C, dia mihamaivana ka miakatra. Lasa ao ambaniny ny rano mafana ary voasarony ao. Mivadika ho ranomandry àry io sosona eo ambony io, ka “lasa mivaingana.” Maivana kokoa noho ny rano ny ranomandry, ka “toy ny hoe voafin’ny vato” ny rano ao ambaniny, ary miaro an’ireo zavaboary ao anaty rano tsy ho faty. Izany no mahatonga ny farihy, ary na ny ranomasina mihitsy aza, tsy hivaingana manontolo ka ho lasa ranomandry. Tsy ho azo iainana ny tany, raha izany no mitranga.

Milaza ny mpanao salamo hoe atsipin’i Jehovah “toy ny sombi-mofo ny ranomandry.” Azo inoana fa havandra na orampanala no resahina eo.​—Sl 147:17; jereo HAVANDRA.

Kerah no teny hebreo nadika hoe “ranomandry.” Ampiasaina koa izy io hilazana mari-pana 0° C na latsaka, ary hilazana “fanala.”​—Je 36:30.