Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ranomasina

Ranomasina

Ranobe midadasika miavaka amin’ny tanety. Ranobe masira na ranomamy midadasika, izay mety ho kely kokoa noho ny ranomasimbe, ka mety ho voahodidin’ny tany maina izy io, na ny ampahany aminy. Maherin’ny 70 isan-jaton’ny tany no rakotry ny rano.

Mpamorona sy Mpifehy ny ranomasina i Jehovah. Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa i Jehovah no Mpamorona ny ranomasina, izay nosarahina tamin’ny tany maina, tamin’ny andro famoronana fahatelo. (Ge 1:9, 10, 13; Ne 9:6; As 4:24; 14:15; Ap 14:7) Lazaina ao koa fa azon’Andriamanitra fehezina sy ampiharana ny heriny ny ranomasina. (Jb 26:12; Sl 65:7; 89:9; Je 31:35) Nomeny fahefana hibaiko ny ranomasina ilay Zanany lahy tamin’izy teto an-tany. (Mt 8:23-27; Mr 4:36-41; Jn 6:17-20) Voafehin’Andriamanitra ny ranomasina, ka tsy mihoa-pefy satria nataony ho toy ny varavarana misakana azy ny morontsiraka sy ny samonta. (Jb 38:8-11; Sl 33:7; Oh 8:29; Je 5:22; jereo FASIKA.) Mandray anjara amin’ny tsingerin’ny rano koa ny ranomasina. (Mpto 1:7; Am 5:8) Izany rehetra izany no mahatonga azy io ho anisan’ny asa mahatalanjon’i Jehovah. (Sl 104:24, 25) Anisan’ireo midera ny Mpamorona azy ny ranomasina.​—Sl 96:11; 98:7.

Ranomasina tany Israely sy ny manodidina. Ny nalaza indrindra dia i Mediterane izay nantsoina hoe “Ranomasina Lehibe”, na “ranomasina andrefana”, na “Ranomasina” fotsiny. (Js 1:4; De 11:24; No 34:5) Ireto kosa ny ranomasina hafa: Ranomasina Mena na Ranomasin’i Ejipta (Ek 10:19; Is 11:15); Ranomasin-tsira (Ranomasina Maty) na Ranomasin’i Araba na “ranomasina atsinanana” (De 3:17; Ezk 47:18); ary ny Ranomasin’i Galilia na Ranomasin’i Kinereta na Ranomasin’i Tiberiasy. (Mt 4:18; No 34:11; Jn 6:1; jereo GALILIA, RANOMASIN’I; RANOMASINA LEHIBE; RANOMASINA MENA; RANOMASIN-TSIRA.) Ny teny manodidina no ahalalana ny hevitry ny teny hoe “ranomasina” ao amin’ny Baiboly. (Ek 14:2 [ampit. 13:18]; Mr 2:13 [ampit. and. 1].) Renirano indraindray no tiana holazaina amin’ilay teny hebreo nadika hoe ranomasina.​—Je 51:36 (Eofrata); Is 19:5 (Neily).

Lavaka mangitsokitsoka. Araka ny Diksionera Grika-Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao nataon’i Parkhurst (Londres, 1845, p. 2), ilay teny grika hoe abyssôs (“faran’izay lalina”) no nadika hoe “lavaka mangitsokitsoka.” Ampiasaina izy io indraindray mba hilazana ranomasina sy mba hampitahana zavatra iray amin’ny ranomasina izay toa lalina be tsy hita fetra. (Ro 10:6, 7; ampit. De 30:12, 13.) “Ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka” (Ap 11:7) dia lazain’ny Apokalypsy 13:1 fa niakatra avy tao amin’ny “ranomasina.”​—Jereo LAVAKA MANGITSOKITSOKA.

Biby any an-dranomasina. Mitantara ny Genesisy fa ireo biby any an-dranomasina sy ireo biby manidina no biby noforonina voalohany teto an-tany: “Ary hoy koa Andriamanitra: ‘Aoka hisy zavamananaina be dia be hifanaretsaka ao anaty rano, ary aoka hisy biby manidina hanidintsidina eny ambonin’ny tany, eo amin’ny habakabaky ny lanitra.’ Ary Andriamanitra nanomboka namorona ireo biby goavam-be any an-dranomasina sy ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika izay mifanaretsaka ao anaty rano, samy araka ny karazany avy, ary ny biby manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Koa nitso-drano azy ireny Andriamanitra hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny rano ao amin’ny ranomasina, ary aoka ho maro eny amin’ny tany ny biby manidina.’ Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro fahadimy izany.”​—Ge 1:20-23.

Mariho ilay hoe: “Aoka hisy zavamananaina be dia be hifanaretsaka ao anaty rano.” Midika ve izany fa navelan’Andriamanitra hipoitra ho azy avy tamin’ny ranomasina ny aina, ka io no nanome an’ireo zavamananaina voalohany, ary ireo indray no nivoatra ka nampisy ny biby hafa rehetra? Tsia. Milaza mantsy ilay fitantarana fa “nanomboka namorona ireo biby ... an-dranomasina ... samy araka ny karazany avy Andriamanitra.” Hoy Andriamanitra tamin’ny ‘andro fahenina’ rehefa namorona ny biby an-tanety izy: “Aoka ny tany hamoaka zavamananaina araka ny karazany avy.” Tsy ny ranomasina no nasain’Andriamanitra hamokatra ny biby an-tanety, ary tsy navelany hivoatra avy tao an-dranomasina koa ireny biby ireny. “Andriamanitra [kosa no] nanomboka nanao” ny karazany tsirairay mba ho velona amin’ny toerana mety aminy avy.​—Ge 1:24, 25.

Heviny an’ohatra. Voalaza fa “manomboka eo amin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina [Ranomasina Mediterane], ary manomboka eo amin’ny tany efitra ka hatramin’ny Renirano [Eofrata]” ny fetran’ny Tany Nampanantenaina. (Ek 23:31) Voalaza kosa fa “hipaka hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina” ny fanjakan’ny Mesia ary “hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany”, izany hoe hanerana ny tany manontolo. (Za 9:9, 10; ampit. Da 2:34, 35, 44, 45.) Nanamarina izany i Matio sy Jaona rehefa nampiasa an’io faminanian’i Zakaria nalaina tao amin’ny Salamo 72:8 io.​—Mt 21:4-9; Jn 12:12-16.

Miaramila mirohotra. “Tahaka ny feon’ny ranomasina misamboaravoara”, hoy i Jeremia ny fandrenesana an’ireo mpanafika an’i Babylona. (Je 50:42) Rehefa nilaza àry izy fa hiakatra hanafotra an’i Babylona ny “ranomasina”, ny tiany holazaina dia ny fanafihan’ireo miaramila medianina sy persianina.​—Je 51:42; ampit. Da 9:26.

Vahoaka tafasaraka amin’Andriamanitra. Nilaza i Isaia fa ireo ratsy fanahy eto an-tany, izany hoe ireo olona tafasaraka amin’Andriamanitra dia toy “ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony, ary mamoaka ahidranomasina sy fotaka ny ranon’ilay ranomasina.” (Is 57:20) Lazain’ny Apokalypsy 17:1, 15 fa ny “rano maro” ipetrahan’i Babylona Lehibe dia “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny.” Hoy i Isaia momba an’i Ziona, ‘vehivavy’ vadin’Andriamanitra: “Hankany aminao ny harenan’ny ranomasina, ary ho tonga any aminao ny fananan’ny firenena.” (Is 59:20; 60:1, 5) Toa midika izany fa olona maro avy amin’ireo ratsy fanahy eto an-tany no hiandany amin’ilay ‘vehivavy’ vadin’Andriamanitra an’ohatra.

Niresaka momba ny “biby” efatra niakatra “avy ao an-dranomasina” i Daniela, ary nohazavainy fa mpanjaka na fanjakana ireo. (Da 7:2, 3, 17, 23) Nilaza koa i Jaona fa nahita “bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina”, izany hoe avy amin’ireo olona maro be tafasaraka amin’Andriamanitra. Fitondrana ara-politika io biby avy tao amin’ny “ranomasina” io satria niresaka momba ny diadema sy seza fiandrianana an’ohatra i Jaona. (Ap 13:1, 2) Nahita ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” tao amin’ny fahitana koa i Jaona, ary tsy tao intsony ny “ranomasina”, izany hoe ireo olona mikorontan-dava, izay tafasaraka amin’Andriamanitra.​—Ap 21:1.

Olona tsy ampy finoana. Nampitahain’i Jakoba mpianatr’i Jesosy tamin’ny “onjan-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany” ireo tsy ampy finoana, izany hoe ireo misalasala rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. Tsy eken’izany olona izany hoe malala-tanana sy be fitiavana ary tsara fanahy Andriamanitra. “Aoka tsy hanantena handray na inona na inona avy amin’i Jehovah izany olona izany, fa olona misalasala izy, miovaova amin’izay rehetra ataony”, hoy i Jakoba.​—Jk 1:5-8.

Olona maloto fitondran-tena. Nampitandrina an’ireo Kristianina i Joda, rahalahin’i Jakoba, fa tena mampidi-doza ireo olon-dratsy mitsofoka mangingina eo anivon’ny fiangonana mba hampiditra fitondran-tena maloto ao. Nantsoiny hoe “onjan-dranomasina misamboaravoara, izay mandroatra ka mamoaka ny zava-mahamenatra ataony” ireny olona ireny. (Jd 4-13) Mety ho ilay tenin’i Isaia (57:20) no tao an-tsain’i Joda, ary nanao fanoharana izy momba ireny olona ireny, izay minia tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra sy maimay handika ireo fitsipi-pitondran-tena nomen’Andriamanitra, noho ny filan-dratsiny mamoafady. Milaza toy izao momba ny Joda 13 ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Cook: “Ataon’ireny olona miseho ho mpivavaka ireny hitam-bahoaka ny fotaka sy ny loton’ny fanaranam-po amin’ny ratsy ataony ... Avoakany toy ny roatra àry ny zava-mahamenatra ataony, ary asehony amin’ny olon-drehetra ka afa-baraka ny Fiangonana noho ny zava-dratsy ataony.” Hoy ny mpivaofy teny hafa iray: “Zavatra poakaty sy tsy misy dikany toy ny roatran’ny onjan-dranomasina no asehon’izy ireo, ka manala baraka tena izy ireo.”​—Fanamarihan’i Barnes Momba ny Testamenta Vaovao, 1974; ampitahao amin’ny 2Pe 2:10-22 izay miresaka momba an’ireny olona ireny.