Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ranomasina Mena

Ranomasina Mena

Rano midadasika manasaraka ny ilany avaratratsinanan’i Afrika sy ny Saikinosin’i Arabia. Anisan’izy io koa ireo sampany roa, dia ny Hoalan’i Suez sy ny Hoalan’i ʽAkaba. Mirefy 2250 km ny Ranomasina Mena, 354 km eo ho eo ny sakany lehibe indrindra, ary 610 m eo ho eo ny halaliny. Anisan’ilay tany miletsy antsoina hoe Lohasaha Mitsefaka izy io. Masira kokoa ny ranony satria vetivety dia lasa etona. Be rivotra mahery sy miovaova eo amin’izy io, sady be haran-dranomasina ka mampidi-doza ho an’ny sambo. Tandavan-tendrombohitra avo no eo atsinanany, fa faritra be vato sy marin-tampona ary havoana iva kosa no eo andrefany.

Tsara ho fantatra fa ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “Ranomasina Mena” dia niantsoana an’ilay Ranomasina Mena mahazatra ary niantsoana koa an’ireo sampany roa any avaratra. (Ek 10:19; 13:18; No 33:10, 11; Mpts 11:16; As 7:36) Ny ranon’ny Ranomasina Mena no nosarahin’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga mba hiampitan’ny Israelita teo amin’ny tany maina. Nataony maty an-drano kosa i Farao sy ny tafiny izay nanenjika azy ireo. (Ek 14:21–15:22; De 11:4; Js 2:10; 4:23; 24:6; Ne 9:9; Sl 106:7, 9, 22; 136:13, 15) Ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka an’iny zava-nitranga iny dia mampiasa ny teny hebreo hoe yam (ranomasina) na yam-sof (ranomasin-jozoro). Io dikan’ny yam-sof ara-bakiteny io no nentin’ny manam-pahaizana sasany nilazana fa heniheny, toy ny faritry ny Farihy Mangidy, no niampitan’ny Israelita, fa tsy ny Ranomasina Mena (ny Hoalan’i Suez, ilay sampany andrefana, no inoan’ny olona sasany fa niampitan’ny Israelita). Tokony ho ampy tsara anefa ilay rano mba handifotra ny tafik’i Farao. (Ek 14:28, 29) Tsy ho nitranga teo amin’ny heniheny mihitsy izany. Tsy heniheny koa ilay izy, raha jerena ny Asan’ny Apostoly 7:36 sy ny Hebreo 11:29. Samy miresaka an’iny zava-nitranga iny mantsy ireo andininy ireo, ary mampiasa an’ilay teny grika hoe erytra talassa, izay midika hoe “Ranomasina Mena.” (Jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA.) Nampiasa an’io teny grika io koa i Hérodote (mpahay tantara tamin’ny taonjato fahadimy T.K.), ary tsy heniheny na rano kelikely no noresahiny, fa “ny Oseana Indianina, izay misy ny Ranomasina Mena.”​—Rakibolana Grika-Anglisy, nataon’i H. Liddell sy R. Scott, nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 693; jereo PIHAHIROTA.

Efa voalaza fa ho re hatrany amin’ny Ranomasina Mena ny feo mitaraindraina noho ny loza hanjo an’i Edoma. (Je 49:21) Mety ho nitranga tokoa izany satria teo amin’ny sisin-tany atsimon’i Edoma no nisy ny Ranomasina Mena (1Mp 9:26), izany hoe ny Hoalan’i ʽAkaba, ilay sampany avaratratsinanana. Tonga hatrany koa ny sisin-tanin’ny Israely.​—Ek 23:31.