Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ranomasina Varahina

Ranomasina Varahina

Nosoloana “fitoeran-drano lehibe, nantsoina hoe ranomasina varahina” ilay kovetabe varahina teo an-tokotanin’ny tranolay masina, rehefa naorina ny tempolin’i Solomona. (Ek 30:17-21; 1Mp 7:23, 40, 44) I Hirama lehilahy hebreo-fenisianina no nanao azy, ary natao hoe “ranomasina” ilay izy satria nahazaka rano be dia be. Varahina ilay izy, ary “folo hakiho [4,5 m] ny savaivony. Boribory ilay izy, ary dimy hakiho [2,2 m teo ho eo] ny haavony. Ary tady telopolo hakiho [13,4 m] vao nahodidina azy.”​—1Mp 7:23.

Refiny manodidina. Noboriborina ilay hoe 30 hakiho, fa 31,4 hakiho no tena refiny manodidina. Nilaza toy izao i Rennie (injeniera angamba), hoy i Christopher Wordsworth, mpivaofy teny ara-baiboly: “Ny antsasaky ny savaivo foana, izay tsipika mahitsy, no nampiasaina rehefa nandrefy faribolana, talohan’ny andron’i Archimède [taonjato fahatelo T.K.]. Nilaza àry i Hirama fa telopolo hakiho ny manodidina an’ilay ranomasina satria ny antsasak’ilay savaivo, izany hoe dimy hakiho, no nandrefesany ny manodidina ka nandrefy inenina izy vao nahodidina an’ilay ‘molony.’ Mampahafantatra ny refin’ilay Ranomasina fotsiny ilay andininy, mba ho mora azon’ny olona tamin’izany ilay refy. Io fomba fandrefesana io mantsy no fampiasan’ireo mpiasa matihanina, toa an’i Hirama, rehefa nandrefy faribolana. Azo antoka fa fantany tsara hoe telopolo hakiho mahery ny tena refin’ilay faribolana, satria ny antsasak’ilay savaivo atohitohy manome kisary misy lafy enina mitovy no telopolo hakiho.” (Fanamarihana ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, Londres, 1887) Toa nahazatra àry tamin’izany ny nilaza fa intelon’ny savaivo teo ho eo ny manodidina ny faribolana iray.

Varahina nampiasaina. Nisy “haingony niendrika voatango” ilay ranomasina varahina, ary nipetraka teo ambonin’ny omby varahina 12, ka 3 nitodika nianavaratra, 3 nianatsimo, 3 niantsinanana, ary 3 niankandrefana. Toy ny felana lisy ny molotr’ilay ranomasina. “Toy ny sakan’ny felatanana [7,4 sm]” kosa ny hatevin’ilay ranomasina. (1Mp 7:24-26) Tany Syria, izay faritra resin’i Davida Mpanjaka, no nakana an’izany varahina be dia be izany. (1Ta 18:6-8) Narendrika tao anaty lasitra tanimanga teo amin’ny faritr’i Jordana ilay fitoeran-drano, izay sangan’asa niavaka.​—1Mp 7:44-46.

Rano zakany. Milaza ny 1 Mpanjaka 7:26 (Prot.) fa “nahalany [rano] roa arivo bata” ilay ranomasina, fa ny 2 Tantara 4:5 (Prot.) kosa manao hoe: “Mahalany telo arivo bata izy.” Misy milaza fa diso ny mpanao dika soratra rehefa nandika ny Tantara. Marina fa matoanteny hebreo iray no nampiasaina eo amin’ireo andininy ireo, nefa azo adika amin’ny fomba samihafa ilay izy. Misy àry Baiboly nandika an’ilay 1 Mpanjaka 7:26 hoe rano 2000 bata no “natao tao anatiny”, fa ny 2 Tantara 4:5 kosa nadikany hoe 3000 bata no “zakany.” (La Sainte Bible, TV) Ny habetsahan’ny rano mahazatra natao tao anatin’ilay fitoeran-drano no resahin’ny Mpanjaka, fa ny Tantara kosa milaza ny rano zakany rehefa atao feno tsara ilay izy.

Mifanitsy amin’ny 22 L eo ho eo ny iray bata taloha, ka tokotokony ho 44 000 L ny rano mahazatra tao amin’ilay ranomasina, raha hatreo amin’ny androatokony. Midika izany fa tsy mahitsizoro ilay fitoeran-drano, fa boribory miendrika voatavomonta ny vatany eo ambany molony. Nahazaka hatramin’ny 66 000 L izy io amin’izay, raha hoatran’ilay voalaza tetsy aloha ny refiny. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa “miendrika antsasaka bola” ilay ranomasina ary somary teo atsimo izy io, teo anelanelan’ny alitaran’ny fanatitra dorana sy ny tempoly.​—Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 79 (iii, 5); VIII, 86 (iii, 6).

Nisy koa koveta varahina kely folo teo ambonin’ny kalesy, ary ny rano tao anatin’ilay ranomasina varahina no nakana hamenoana azy ireo. (1Mp 7:38, 39) Nisy raobine ilay ranomasina, araka ny lovantsofin’ireo raby. Nanasana fanatitra sasany sy nanadiovana zavatra hafa ireo koveta folo, fa “ilay ranomasina kosa natao hisasan’ny mpisorona.” (2Ta 4:6) Misy raby milaza fa niroboka tanteraka tao anatin’izy io ny mpisorona. I Josèphe kosa nilaza fa “fanasan’ny mpisorona ny tanany sy ny tongony” izy io. (Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 87 [iii, 6]) Na ahoana na ahoana, dia nampiasain’ny mpisorona hidiovana ny rano tao anatin’ilay ranomasina varahina.

Resahin’ny faminaniana. Manampy antsika izany fanazavana izany hahazo ny dikan’ilay “ranomasina tahaka ny fitaratra” hitan’ny apostoly Jaona teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. (Ap 4:6; 15:2) “Tahaka ny kristaly” ilay ranomasina satria tantera-pahazavana angamba ny lafiny rehetra (ampit. Ap 21:18, 21), ka tazana ny tao anatiny. Nijoro teo akaikin’izy io ireo “voantso sy voafidy ary tsy mivadika” naharesy “an’ilay bibidia” sy ny “sariny.” (Ap 17:14 sy 20:4-6) Ho “mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo”, ary hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona. (Ampit. 1Pe 2:9.) Mampahatsiahy antsika ny tenin’ny apostoly Paoly momba ny fiangonana kristianina, ny fijoroan’ireo mpisorona teo akaikin’ilay “ranomasina tahaka ny fitaratra”, teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Nodiovina tamin’ny rano fandroana, tamin’ny alalan’ny teny’ ny fiangonana. (Ef 5:25-27) Nilaza koa i Jesosy fa ny tenin’Andriamanitra notoriny dia mahavita manadio. (Jn 15:3) “Niharo afo” ilay ranomasina. (Ap 15:2) Ilazana matetika ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny hoe afo, ary oharina amin’ny “afo mandevona” an’izay tsy mety manao ny sitrapony Andriamanitra.​—He 12:25, 29.

Manana heviny an’ohatra àry ilay “ranomasina tahaka ny fitaratra” hitan’i Jaona. Aloky ny zavatra any an-danitra mantsy ny tranolay masina sy ny tempoly teto an-tany sy ny fitaovana tao, ary ny asan’ny mpisorona. (Ampit. He 8:4, 5; 9:9, 11, 23, 24; 10:1.) Hazavaina ao amin’ilay hoe OMBILAHY ny dikan’ireo omby nipetrahan’ilay ranomasina varahina teo an-tokotanin’ny tempolin’i Solomona.