Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rariny

Rariny

Fanaovana foana izay marina sy mahitsy, tsy misy fanavakavahana, ary manaraka fitsipika. Nadika matetika hoe “rariny” na “fitsarana” (TV) ny teny hebreo hoe mishpat, nefa mety hidika koa izy io hoe drafitra (Ek 26:30), fanao (Ge 40:13; Le 5:10), na fitsipika (2Ta 4:20).

Nadikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny Fandikan-teny Protestanta hoe “marina” sy “rariny” koa ny teny hebreo roa hafa (tsedek sy tsedakah). (Ge 18:19; Jb 8:3) Mitovitovy ihany ny hoe “marina” sy “rariny”, na dia misy ifandraisany kokoa amin’ny lalàna aza ny hoe “rariny.”​—Ampit. Am 5:24.

Midika hoe “marina” (Prot.) na sahaza ny teny grika iray nadika hoe “ara-drariny” (TV). (Ro 3:8; He 2:2) Misy teny grika roa hafa nadika indraindray hoe “rariny”, nefa “fitsarana” sy “valifaty” no tena dikany.​—Mt 12:20, TV, Prot.; Lk 18:7TV.

“Tia ny rariny sy ny hitsiny” (Sl 33:5) i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitsara fara tampony sady Mpanome Lalàna. (Is 33:22) “Tsy mba hataony tsinontsinona ny rariny sy ny fahamarinana.” (Jb 37:23) Azo antoka àry fa tsy ho foiny mihitsy ireo tsy mivadika aminy. (Sl 37:28) Tsy mizaha tavan’olona izy, fa izay rehetra matahotra azy sy manao ny marina no ankasitrahany sy tahiny. (As 10:34, 35) Saziny na valiany soa ny olona sy ny firenena, arakaraka izay ataon’izy ireo. (Ro 2:3-11; Ef 6:7-9; Kl 3:22–4:1) Mampifandanja ny fanaovana ny rariny sy ny famindram-po i Jehovah. Afaka miova àry izay olona na firenena manao ratsy ka tsy haringany.​—Je 18:7-10; Ezk 33:14-16; jereo MANAMBARA HO MARINA.

Hendry lavitra noho ny olona tsy lavorary i Jehovah ka ny olona, fa tsy izy, no mila mianatra ny lalan’ny rariny. (Is 40:14) Tsy tokony hitsara an’Andriamanitra ho manao ny rariny na tsia àry ny olona, fa tokony hianatra kosa hampifanaraka ny fomba fiheviny amin’izay lazain’i Jehovah hoe ara-drariny. Hoy Andriamanitra tamin’ny Israelita: “Ny ataoko ve no tsy mety, ry taranak’Israely ô? Tsy ny ataonareo ve no tsy mety?” (Ezk 18:29) Tsy misy koa afaka milaza hoe tsy rariny ny ataon’i Jehovah satria izy no Mpamorona.​—Ro 9:20, 21; jereo koa Jb 40:8–41:34.

Zon’i Jehovah àry ny mitaky hoe tokony hianatra ny fitsipiny momba ny rariny sy hanaraka izany ireo te hahazo sitraka aminy. (Is 1:17, 18; 10:1, 2; Je 7:5-7; 21:12; 22:3, 4; Ezk 45:9, 10; Am 5:15; Mi 3:9-12; 6:8; Za 7:9-12) Tokony hanahaka azy izy ireo ka tsy hizaha tavan’olona, fa raha tsy izany dia manao ny tsy rariny sy mandika ny lalàn’ny fitiavana. (Jk 2:1-9) Tsy mavesatra anefa ny manao izay lazain’Andriamanitra hoe rariny, fa tena mahasambatra. (Sl 106:3; ampit. Is 56:1, 2.) Niaiky toy izao i Blackstone, anglisy mpahay lalàna malaza: “[Nataon’Andriamanitra] mifamatotra tsy afa-misaraka amin’ireo lalàna maharitra mandrakizay momba ny rariny ny fahasambaran’ny tsirairay, ka tsy afaka ny ho sambatra izay tsy mankatò an’ireo lalàna ireo; ary izay mankatò an-tsakany sy an-davany an’ireo ihany no ho sambatra.”​—Rakipahalalana Momba ny Lalàna Nataon’i Chadman, 1912, Boky I, p. 88.

Sambatra sy miadana koa ny vahoaka rehefa manao ny rariny ny mpitondra fanjakana. (Ampit. Oh 29:4.) Hanao ny rariny foana i Kristy Jesosy, Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ireo rehetra hiara-manjaka aminy. Hahafinaritra an’ireo olom-peheziny tsy mivadika àry ny hanaiky ny fitondrany ara-drariny.​—Is 9:6, 7; 32:1, 16-18; 42:1-4; Mt 12:18-21; Jn 5:30; ampit. Oh 29:2.

Manazava momba ny fanaovana ny rariny sy ny toro lalana mifandray amin’izany ny hoe ADY ANY AMIN’NY FITSARANA; FITSARANA; LALÀNA.