Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy, Zava-dratsy

Ratsy, Zava-dratsy

Izay mahatonga fanaintainana, alahelo, na fahoriana. Malalaka be ny hevitr’ilay teny hebreo hoe raʽ, ary teny malagasy maro vao mahalaza ny heviny, ohatra hoe “ratsy”, “maloka endrika”, “ratsy tarehy”, ‘mampalahelo’, ‘mitondra loza’, “mampanaintaina be”, “kahihitra”, ary “feno fitsiriritana.” (Ge 2:9; 40:7; 41:3; Ek 33:4; De 6:22; 28:35; Oh 23:6; 28:22) Ilay teny grika hoe kakôs kosa mety hidika hoe 1) tsy mendrika, raha ny fitondran-tena no resahina, ary 2) misy voka-dratsiny. Nadika hoe “ratsy” sy “masiaka” izy io. (Ro 7:19; 12:17; Kl 3:5; Tit 1:12; He 5:14) Ilay matoanteny hebreo hoe kalal indray dia midika hoe “manozona.”​—Jereo OZONA, MANOZONA.

Ny mifanohitra amin’ny hoe tsara no dikan’ny hoe raʽ, raha jerena ny nampiasana azy io voalohany ao amin’ny Soratra Masina. Norarana i Adama mba tsy hihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (raʽ). Nohazavaina taminy koa ny vokany raha tsy mankatò izy. Hita amin’izany àry fa Andriamanitra no mamaritra ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy. Tsy manan-jo hanao izany ny olombelona, fa an’Andriamanitra irery ihany izany zo izany. Tsy tokony homen-tsiny i Jehovah raha nandika ny lalàn’Andriamanitra i Adama. “Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy [endriny hafa amin’ny kakôs] mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa. Tsapaina anefa ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany.”​—Jk 1:13, 14; Ge 2:16, 17; 3:17-19.

Tsy mahatonga zava-dratsy i Jehovah. Misy Baiboly milaza hoe mamorona zava-dratsy i Jehovah. (Is 45:7, KJ, AS) “Loza” anefa no nandikana an’ilay teny hebreo ra’ ao amin’io andininy io ao amin’ny Baiboly sasany (TV, Prot., Kat., DIEM), ary marina izany dikan-teny izany. Tsy te hilaza mantsy io andininy io hoe mamorona zava-dratsy na zavatra tena tsy mety mihitsy i Jehovah. (De 32:4; Sl 25:8) Tsy mitovy mihitsy ny hoe loza sy hoe zava-dratsy. Ampiasaina ny hoe ra’ eo amin’ny teny manodidina an’io andininy io sy ny andininy hafa mba hilazana fa mahatonga loza Andriamanitra mba hampiharana ny rariny. Anisan’ny loza noforonin’i Jehovah ohatra, ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa sy ny Loza Folo namelezany an’i Ejipta. Hita amin’ireo loza ireo fa rariny ny azy raha nanafay an’ireo mpanao ratsy izy, ary zony izany. Tsy nampihatra an’ilay loza noeritreretiny i Jehovah indraindray, ka tsy nampihatra ny didim-pitsarany na dia ara-drariny aza ilay izy, raha nibebaka ny mpanao ratsy. Mamindra fo mantsy i Jehovah. (Jo 3:10) Nampitandrina mialoha koa izy ka namela an’ireo mpanao ratsy hiova mba tsy ho faty.​—Ezk 33:11.

Miezaka tsy hanao ratsy. Efa voalaza fa i Jehovah no mamaritra ny atao hoe tsara sy ny atao hoe ratsy. Ilain’ny olona àry ny mamantatra tsara ny fomba fiheviny mba hahalalan’izy ireo ny tokony hatao. (He 5:14) Anisan’ny ratsy tokony hialana ny fitiavam-bola. (1Ti 6:10) Tsy manahy momba izay ilainy eo amin’ny fiainana ny olon-kendry, satria efa nilaza i Jesosy fa “ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy [kakia]”, na ny olana na ny fahoriana mitranga amin’iny andro iny. (Mt 6:34) Anisan’ny zavatra tokony hiadiana koa ny “fanirian-dratsy”, rehefa miezaka hitafy ny toetra vaovao. (Kl 3:5) Miaiky ny Kristianina fa misy eritreri-dratsy mipoitra tampoka ao an-tsainy na aroso eo anoloany. Azony atao ny manohitra izany mba tsy ho voatarika hanota izy. Tokony hanahaka an’i Jesosy àry izy, ka hanaisotra ilay eritreri-dratsy avy hatrany. Nalain’ny Devoly fanahy koa mantsy i Jesosy ka nampirisihiny hanao ratsy. (Jk 1:13-15; Mt 4:1-11; Fi 4:8) Tsy lavorary ny Kristianina, ka miady tsy an-kijanona amin’ny nofony mpanota, toy ny nataon’i Paoly. Mety hahavita zava-dratsy tsy tiany hatao koa izy. Tsy tokony hanaiky ho resin’ny fanirian’ny nofony anefa izy, fa tsy maintsy miady mafy amin’izany foana. (Ro 7:21; 8:8) Hita tamin’ny tenin’i Jesosy momba ilay mpanompo mendri-pitokisana fa ratsy be ny vokany rehefa tsy arahina ny fitsipika marin’Andriamanitra. Nomena sazy faran’izay mafy io mpanompo io raha tsy niraharaha ny andraikitra nankinina taminy sy nikapoka ny mpanompo hafa mihitsy aza.​—Mt 24:48-51.

Miaritra fahoriana na zava-dratsy ny Kristianina. Mananatra azy ireo ny Soratra Masina mba tsy hanisy ratsy olona na hamaly faty: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” “Aza mamaly faty ... ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’” “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” (Ro 12:17, 19, 21) Marina fa misy lalàna navoakan’ny manam-pahefana nefa tsy azon’ny Kristianina ankatoavina. Tsy tokony ho hita hoe mpanao ratsy izy ireo na izany aza. Manasazy an’izay manao ratsy sy tsy mankatò ny lalàna manan-kery eo amin’ilay tany mantsy ny manam-pahefana, ary mampihatra ny fahefany sy mampiasa ny feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra azy ka manasazy ny mpanao ratsy. (Ro 13:3, 4) Ilay Mpitsara Fara Tampony no hanao ampamoaka azy ireny raha manampatra fahefana izy ireo. Raha misy àry Kristianina miaritra fahoriana na zava-dratsy noho ny fahamarinana, dia anisan’ireo manome voninahitra ny anarana masin’Andriamanitra izy ireo amin’izany, ary raisin’izy ireo ho tombontsoa izany.​—1Pe 4:16.