Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ravaka

Ravaka

Haingo natao hanatsarana endri-javatra, fa tsy tena ilaina. Ny vehivavy no tena niravaka, nefa nisy lehilahy koa. Nasiana ravaka koa ny trano sy biby indraindray.

Efa hatry ny ela ny olona no tia niravaka sy nahay nanao firavaka tena tsara, rehefa jerena ny Baiboly sy izay nofongarin’ny mpikaroka. Nahavita ravaka tena kanto ny mpanenona, mpanao peta-kofehy, mpanao sokitra hazo sy ivoara, ary mpanefy vy. Hita amin’ireo sisan-javatra tsy rava tamin’ny lapan’i Asyria, Babylona, Persa ary tamin’ny tanànan’i Mari fa noravahana sary hoso-doko lehibe ny aty rindrina. Nasiana sary mivohitra tsara tarehy mampiseho ady, fihazana, ary fiainana tao an-dapa, koa ny rindrina anatiny sy ivelany. Nambenana sarivongana biby goavana ny fidirana tao an-dapa matetika. Nisy peta-kofehy tsara tarehy ny akanjon’ny mpanjaka sy ny hafa eo amin’ny sary mivohitra. Na ny fitaovana natao tamin’ny soavaly aza noravahana kofehy mikiramborambo sy sary sokitra. (Ampitahao amin’ny rojo teny am-bozon’ny ramevan’ny Midianita; Mpts 8:21, 26.) Ny sary hoso-doko amin’ny fasana no tena ahitana ny firavaky ny Ejipsianina, na dia eo koa aza ny seza fiandrianana sy kalesin’ny mpanjaka ary zavatra hafa hitan’ny mpikaroka.

Ny an’ny Hebreo sy Kristianina. Ny kavin’orona volamena sy brasele nomen’ny mpanompon’i Abrahama an’i Rebeka no firavaka voaresaka voalohany. (Ge 24:22, 30, 47, 53) Nomen’i Farao rojo volamena sy ny peratra fanombohan-kaseny i Josefa, rehefa lasa praiminisitra. (Ge 41:41-43) Fahita ny peratra toy izany tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Nasiana tady sy niambozonana izy ireny (ampit. Ge 38:18), ary nampiasaina hanisiana sonia na tombo-kase ofisialy teo amin’ny taratasy. Tsy mpisandoka àry fa tena solontenan’ilay tompon’ny peratra ny olona nomeny azy io.

Nahazo zavatra maro vita tamin’ny volafotsy sy volamena avy tamin’ny Ejipsianina ny Israelita, rehefa niala tany Ejipta. Anisan’izany ny firavaka misy paingotra, kavina, peratra, sy zavatra hafa nomeny hanorenana ny tranolay masina, ary ny kavina volamena nanaovana ilay zanak’omby nivavahany. (Ek 12:35, 36; 32:1-4; 35:20-24) Nataon’ny mpanao sokitra, mpanefy metaly sarobidy sy vatosoa, mpanenona, ary mpanao peta-kofehy ny ankamaroan’ny zavatra nanaovana ny tranolay masina sy ny fitaovana tao. (Ek 35:25-35) Mbola tsara kokoa aza ny ravaky ny tempolin’i Solomona. Nisy sary sokitra, dia sarina voatango sy felam-boninkazo natohitohy sy kerobima ary hazo palmie nopetahana takela-bolamena, ny takela-kazo sedera tamin’ny tempoly sy ireo varavarany vita tamin’ny hazo mitera-menaka sy hazo zenevrie. Nasiana harato, rojo, ary ampongabendanitra ireo andry varahina roa nanoloana ny tempoly, ary natao miendrika voninkazo lisy ny loha andry. (1Mp 6:18, 29, 35; 7:15-22) Tena tia zavatra kanto i Solomona, ary tsy nanan-tsahala ny seza fiandrianany ivoara lehibe nopetahana takela-bolamena. Samy nisy liona teo anilan’ny fitoeran-tanany, ary liona 12 teo amin’ireo zanatohatra enina.​—1Mp 10:16-21.

Ny hatsaran-toetra anefa no tena asongadin’ny Baiboly. Toy ny “fehiloha tsara tarehy” sy “rojo tena tsara” eny am-bozona ny anatry ny ray aman-dreny; “satroboninahitra tsara” ny fahendrena; tsara noho ny vazy volamena “ny molotra mampita fahalalana, satria toy ny vazy sarobidy”; “toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy”; ary “ny olon-kendry izay manome anatra dia toy ny kavina volamena sy firavaka volamena tena tsara eo amin’ny sofin’ny olona mihaino anatra.” (Oh 1:9; 4:9; 20:15; 25:11, 12) Toy ny “kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa” kosa ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy misaina.​—Oh 11:22.

Tsara ny mahay mandanjalanja, araka ny Soratra Grika Kristianina. Tokony “hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” ny vehivavy, “fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.” (1Ti 2:9, 10) Nataon’i Petera modely ny olona talohan’ny andro kristianina, rehefa nampirisihiny ny vehivavy hitady ny tena hatsaran-tarehy, izany hoe “ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.” Toy izany, hoy izy, no niravahan’ireo vehivavy tahaka an’i Saraha, “izay nanaiky ny vadiny.” (1Pe 3:1-6) Hahay hifidy an’izay firavaka mety sy hahay handanjalanja àry ireo manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly.

Resahin’ny faminaniana. Notahin’i Jehovah i Jerosalema, renivohitr’i Joda, ka hoatran’ny vehivavy nanao akanjo lafo vidy sy firavaka maro. Toy ny hoe nesorina teny aminy anefa ireny ka navela hitanjaka izy, satria nivadika tamin’Andriamanitra sy nanana fifandraisana mamoafady tamin’ireo firenena. (Ezk 16:2, 10-39) Tanteraka ara-bakiteny koa izany, rehefa nobaboin’ny mpanafika ny harenan’ilay tanàna, toy ny rojokely haingon-tongotra, fehiloha, ravaka miendrika volana, kavina, brasele, voaly, saron-doha, rojon-tongotra, fehikibo, fitoeran-dranomanitra, akorandriaka ody fiaro, peratra, ary kavin’orona nanaovan’ny “zanakavavin’i Ziona.” (Is 3:16-26) Fotoam-pahoriana tamin’izay satria matetika no nanala firavaka ny olona ory.​—Ek 33:4-6.

Toy ny hoe naorin’i Jehovah indray anefa i Ziona rehefa nafahany avy tany Babylona ny Jiosy, ka safira no nataony fotony, robia ny tampon’ny mandany, ary vatosoa mena midorehitra ny vavahadiny. Hampanjaka ny fiadanana sy fahamarinana ao mantsy Izy. (Is 54:7, 8, 11-14) Ampanaovina akanjo sy haingo toy ny vehivavy ampakarina koa i Ziona. (Is 49:14-18; ampit. 61:10.) Mitovitovy aminy koa i Jerosalema Vaovao: Perla ny vavahadiny, vatosoa ny fotony, ary voaomana tahaka “ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny” izy. (Ap 21:2, 9-21) Ny toetra tsara sy ny fitahiana azon’ireo ankasitrahan’Andriamanitra àry no tena ravaka sy haingo.

Miakanjo sy miravaka toy ny mpanjakavavy ary miaina ao anatin’ny renty efa tsy mahamenatra azy intsony i Babylona Lehibe, izay toy ny vehivavy mijangajanga amin’ny mpanjakan’ny tany. Hesorina eny aminy daholo anefa ny haingony kanto, hampitanjahina izy, ary haringana. Tsy tena tsara tarehy izy, fa ‘mankalaza tena.’ Tsy midika ho fitahian’Andriamanitra sy fankasitrahany àry ny firavaka eny aminy, fa fisehosehoana fotsiny ary anisan’ny harena sy fahefana azony noho izy mivaro-tena.​—Ap 17:3-5, 16; 18:7-20.

Jereo BRASELE; FIRAVAKA MISY PAINGOTRA; FIRAVAKA SY VATOSOA; KAVINA; KAVIN’ORONA; PERATRA; ROJO FIRAVAKA; ROJON-TONGOTRA; VAKANA.