Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ray

Ray

“Ray” no nandikana ny teny hebreo hoe ʼav. Mitovy amin’ny feo tsotra indrindra sy voalohany tononin’ny zazakely ny fanononana azy io. Ilay teny grika hoe pater no mifanitsy amin’ny hoe ʼav, ary maromaro no dikan’izy ireo: Ray niteraka (Oh 23:22; Za 13:3; Lk 1:67), lohan’ny fianakaviana na fianakaviambe (Ge 24:40; Ek 6:14), razambe (Ge 28:13; Jn 8:53), olona nipoiran’ny firenena iray (Mt 3:9), mpamorona antokon’olona mitovy saranga na asa (Ge 4:20, 21), mpiaro (Jb 29:16; Sl 68:5), loharanon’ny zavatra iray (Jb 38:28), ary ho mari-panajana (2Mp 5:13; As 7:2).

Ray i Jehovah Andriamanitra satria Mpamorona. (Is 64:8; ampit. As 17:28, 29.) Rain’ireo Kristianina nateraky ny fanahy koa izy. Ampiasaina ho mari-panajana sy hanehoana firaiketam-po amin’ny ray mantsy ilay teny aramianina hoe ʼAbbaʼ. (Ro 8:15; jereo ABA.) Afaka miantso an’Andriamanitra hoe Ray izay rehetra mino sy manantena fiainana mandrakizay. (Mt 6:9) Misy faminaniana milaza hoe Ray Mandrakizay i Jesosy Kristy, ilay Mesia. Izy mantsy no nofidin’Andriamanitra ho Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana. (Is 9:6) Misy koa olona heverina ho rain’ny olon-kafa maromaro izay manahaka sy manara-dia azy. (Mt 5:44, 45; Ro 4:11, 12) Izany no antony iantsoana ny Devoly hoe ray.​—Jn 8:44; ampit. Ge 3:15.

Tsy mety ny manome anaram-boninahitra ara-pivavahana hoe “ray.” Nandrara izany i Jesosy. (Mt 23:9) Toy ny ray i Paoly ho an’ny Kristianina sasany, satria izy no nampahafantatra ny vaovao tsara sy nanome sakafo ara-panahy ho azy ireo. Tsy misy mihitsy anefa andinin-teny manome azy anaram-boninahitra ara-pivavahana hoe “ray.” (1Ko 4:14, 15) Nilaza i Paoly hoe toy ny ray sy toy ny reny izy ho an’ny Kristianina tany Tesalonika. (1Te 2:7, 11) Mampiasa ny hoe “Abrahama ray” ny Lioka 16:24, 30 mba hilazana fotsiny hoe razamben’ny Jiosy izy.

Fahefana sy andraikitra. Hazavain’ny Baiboly fa ny ray no loham-pianakaviana ka izy no niambina sy niaro ary nitsara ny ankohonany. Izy koa no tompon’ny teny farany rehefa nisy fanapahan-kevitra nila noraisina. (1Ko 11:3; Ge 31:32) Ny ray no nanao sorona nisolo tena ny fianakaviany, talohan’ny nifidianana ny fokon’i Levy ho mpisorona teo amin’ny Israely. (Ge 12:8; Jb 1:5; Ek 19:22) Nanam-pahefana tamin’ny ankohonany ny ray mandra-pahafatiny. Rehefa nanambady ny zanakalahy, dia lasa lohan’ny fianakaviany izy. Mbola nohajaina foana anefa ny rainy. Rehefa nanambady ny zanakavavy, dia lasa teo ambany fahefan’ny vadiny. (No 30:3-8) Fanambadiana namboarina no fanao fahiny, ka ny ray mazàna no nikarakara izany. Afaka nivarotra ny zanany vavy ho mpanompo ny ray raha tra-pahasahiranana mafy. Nisy fepetra tsy maintsy narahina anefa ho fiarovana an’ilay zanany vavy.​—Ek 21:7.

Tokony hiahy ny ankohonany. Tokony hampianarina ny toro lalan’Andriamanitra ny ankohonana, ka anjaran’ny ray ny mijery raha tena tontosa izany na tsia. Izy mantsy no solontenan’Andriamanitra. (Ge 18:19; Ef 6:4; De 6:6, 7) Andraikiny àry ny fampianarana sy fananarana ny ankohonany, ka anisan’izany ny fanomezana toromarika sy fitsipika ho an’ny tsirairay. Manampy azy amin’izany ny renim-pianakaviana. (Oh 1:8; 6:20) Tena tia zanaka ny ray matahotra an’Andriamanitra. Mananatra sy mampionona azy ireo amim-pitiavana koa izy. (1Te 2:11; Ho 11:3) Manafay sy manitsy ary mananatra izy mba hanarahan’ny ankohonany ny lalan’ny fahamarinana foana. (He 12:9; Oh 3:12) Tiany ny zanany, ary tena faly izy rehefa hendry izy ireo. (Oh 10:1) Tena malahelo kosa izy rehefa manao zavatra amin-kadalana ny zanany. (Oh 17:21, 25) Tokony hangoraka sy hiantra izy. (Ml 3:17; Sl 103:13) Tokony ho zava-dehibe aminy koa izay ilain’ny ankohonany sy izay tadiavin’izy ireo. (Mt 7:9-11) Modely ho an’ny ray olombelona Andriamanitra noho Izy tia sy mikarakara ny vahoakany.

Ny anaran’ny ray no ao amin’ny tetirazana. Ny razamben’ny lehilahy avy amin’ny rainy, fa tsy avy amin’ny reniny, mazàna no noraketina an-tsoratra. Mety ho izany àry no tena antony tsy nanononan’i Lioka ny anaran’i Maria tamin’izy nanoratra ny tetirazan’i Jesosy avy tamin’ny reniny (zavatra maningana izany tetirazana avy amin’ny reny izany). Toa i Josefa vadin’i Maria no notononiny sady nolazainy fa zanak’i Hely rain’i Maria. Tsy diso mihitsy izany satria vinantolahin’i Hely i Josefa.​—Jereo TETIRAZAN’I JESOSY KRISTY.

Mazàna no nolazaina hoe zanak’i “Ranona” ny lehilahy iray, ary izany no nahafantarana azy rehefa tsy nisy anaram-pianakaviana. “Zanakalahin’i Abrahama”, ohatra, no niantsoana an’i Isaka. (Ge 25:19) Maro ny anarana hebreo ahitana an’ilay tovona hebreo hoe ben na ilay tovona aramianina hoe bar, izay midika hoe “zanaka, zanakalahy”, ary atao eo alohan’ny anaran’ny ray. Ireto misy ohatra: “Ben-Hora” (1Mp 4:8, Kat.; “zanak’i Hora”, TV) sy “Simona Bar-jona” na “Simona zanak’i Jona.”​—Mt 16:17, Prot., TV.