Rebeka
(Rebèka) [mety hidika hoe Ombivavy].
Zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Nahora. Zafikelin’ny rahalahin’i Abrahama àry i Rebeka. Labana no anaran’ny anadahiny.—Ge 22:20-23.
Nirahin’i Abrahama hitady vady tsara ho an’i Isaka zanany (efa 40 taona) ny mpanompo niandraikitra ny tao an-tranony, izay azo inoana fa i Eliezera. Tonga tao “amin’ny tanànan’i Nahora” tany amin’ny faritra avaratra amin’ny lohasahan’i Mezopotamia ilay mpanompo, tamin’ny 1878 T.K. Nivavaka tamin’i Jehovah teo amin’ny fantsakana iray izy mba ho izao no hitranga: Hangataka rano hosotroina izy ka izay tovovavy fidin’i Jehovah ho vadin’i Isaka no hanome azy rano sady hanolo-tena hampisotro ny ramevany folo. (Ge 24:1-14) Raha mbola nivavaka izy, dia tonga teo amin’ilay fantsakana i Rebeka, nitondra siny. Nangataka rano kely hosotroiny ilay mpanompo. Faly erỳ i Rebeka nanome azy rano, ary avy eo “nararany haingana tao anaty tavin-drano fampisotroam-biby ny rano rehetra tao anaty sininy. Ary niverimberina nihazakazaka nankeo amin’ny lavadrano izy, ka nantsaka tsy an-kiato ho an’ny rameva rehetra. Nandritra izany fotoana izany, dia nibanjina azy ralehilahy sady gaga. Ary tsy niteny mihitsy izy mba hahafantarany raha nambinin’i Jehovah ny diany, na tsia.” Tovovavy tsara fanahy tokoa i Rebeka, tia nandray vahiny, nanetry tena, ary tia niasa. “Tena tsara tarehy” koa izy.—Ge 24:14-21.
Fantatr’ilay mpanompon’i Abrahama fa nivaly ny vavaka nataony. Nomeny kavin’orona volamena sy brasele volamena roa tsara tarehy (nitentina 1350 dolara eo ho eo) àry i Rebeka. Nasehon’i Rebeka an-dreniny sy an’i Labana anadahiny izany, ka nampiantranoin’izy ireo ilay vahiny sy ireo mpanompo niaraka taminy. (Ge 24:22-32) Nilaza anefa ilay lehilahy fa hanazava ny anton-diany aloha izy vao hihinana. Nanaiky ny hanambadian’i Rebeka an’i Isaka i Labana sy Betoela rainy. Natao fanomezana ho an’i Rebeka sy ny fianakaviany àry ireo zavatra vita tamin’ny volamena sy volafotsy ary akanjo maro tsara tarehy. Niara-nisakafo ny rehetra avy eo. (Ge 24:33-54) Toy izany no nanaovana ny fifanekena rehefa nisy olona hivady, tamin’izany fotoana izany. Fifanekena mendri-kaja teo amin’ny ray aman-dreny roa tonta ilay izy, fa tsy teo amin’i Rebeka sy Isaka. Lasa fofombadin’i Isaka àry i Rebeka, ary azo lazaina hoe vadiny nanomboka teo.
Nanaiky izany koa i Rebeka. Niainga àry izy ireo ny ampitso maraina mba hanao ilay dia lavitra nankany Negeba, any akaikin’i Bera-lahai-roy. Tany i Isaka no nonina tamin’izany. Nitso-drano an’i Rebeka toy izao ny fianakaviany, talohan’ny nandehanany: “Ho tonga an’alinalina inarivoarivo anie ianao, ary aoka ho azon’ny taranakao ny vavahadin’izay mankahala azy!” Niaraka taminy i Debora, ilay vehivavy nampinono azy taloha, ary koa mpanompovaviny maro hafa. Toa tsy nisy niverina an-tanindrazana izy rehetra ireo.—Ge 24:55-62; 35:8.
Tonga izy ireo. Nanisy saron-doha i Rebeka, rehefa nanatona an’i Isaka, ilay hampakatra azy. Notantarain’ilay mpanompon’i Abrahama ny zava-niseho rehetra nandritra ny iraka nampanaovina azy. Nohazavainy koa fa i Jehovah no nifidy an’ilay tovovavy. Nentin’i Isaka tao amin’ny tranolain’i Saraha reniny àry i Rebeka mba ho lasa vadiny. Tena tiany i Rebeka, ary “nionona tamin’ny nahafatesan-dreniny izy” rehefa nahazo azy. Maty telo taona talohan’izay mantsy i Saraha.—Ge 24:63-67.
Mbola tsy niteraka foana i Rebeka, ela be tatỳ aoriana, sahala amin’i Saraha. Nitalaho mafy tamin’i Jehovah nandritra ny 19 taona teo ho eo i Isaka, ka nitoe-jaza ihany i Rebeka ary niteraka kambana, dia i Esao sy Jakoba. Nananosarotra be anefa ny nitondrany vohoka, satria niady izy roa lahy tao an-kibo. Nanontany tena mihitsy i Rebeka hoe: “Nahoana re aho no mbola velona ihany e?” Nanome toky azy i Jehovah fa hiteraka firenena roa lehibe izy, ka “ny zokiny hanompo ny zandriny.” (Ge 25:20-26) Nanazava i Paoly fa nitranga izany mba hanaporofoana fa Andriamanitra ihany no mifidy an’ilay ‘taranaka nampanantenaina.’—Ro 9:6-13.
Efa nisy fotoana koa i Rebeka nanafina ny momba azy, sahala amin’ny nataon’i Saraha, ka mody nanao hoe anabavin’ny vadiny. Nisy mosary tao amin’ilay tany tamin’izay, ka voatery nonina tany amin’ny faritanin’ny Filistinina izy mianakavy. I Abimeleka no nanjaka tany. Tsy maintsy ho efa zokinjokiny i Rebeka tamin’izay, nefa tena mbola tsara tarehy. Nieritreritra àry i Isaka hoe mety hovonoin’ny olona izy raha misy mahalala hoe izy no vadin’i Rebeka. Izy anefa no voatendry handova an’ilay fifanekena natao tamin’i Abrahama.—Ge 26:1-11.
Nieritreritra ny hitso-drano an’i Esao lahimatoany i Isaka, rehefa antitra. Nanao zavatra haingana anefa i Rebeka mba hahazoan’i Jakoba an’ilay tsodrano. (Ge 25:28-34; 27:1-5) Tsy voalaza raha fantatr’i Rebeka hoe efa novidin’i Jakoba ny zon’ny lahimatoa ka izy no manan-jo ara-dalàna ho amin’izany. Fantatr’i Rebeka tsara kosa ny tenin’i Jehovah taminy hoe ny zokiny hanompo ny zandriny. Nanao zavatra àry izy mba hahazoan’i Jakoba ny tsodranon-drainy. Nifanaraka tamin’ny fikasan’i Jehovah ny niafaran’izany.—Ge 27:6-29; jereo JAKOBA No. 1.
Nieritreritra ny hamono an’i Jakoba i Esao avy eo. Fantatr’i Rebeka izany ka nasainy nalefan’i Isaka tany amin’ny tany niaviany i Jakoba mba hitady vady tany. Nalahelo mafy mantsy izy sy Isaka rehefa nanambady vehivavy kananita roa i Esao.—Ge 26:34, 35; 27:41-46; 28:1-5; 29:10-12.
Tsy voalaza hoe oviana i Rebeka no maty. Fantatra kosa fa mety ho talohan’ny nodian’i Jakoba avy tany Mezopotamia izany. (Ge 35:27) Nalevina tao amin’ilay lava-bato tao Makpela izy. Io no fasan-dry zareo, ary tao no nandevenana an’i Abrahama sy Saraha. Nalevina tao koa i Isaka sy Lea ary Jakoba, tatỳ aoriana.—Ge 49:29-31; 50:13.