Refaia
(Refaià) [Nanasitrana i Jah].
1. Zanakalahin’i Tola, ary ny anarany no voatonona faharoa. Lohan’ny fianakaviambe iray tao amin’ny fokon’i Isakara izy.—1Ta 7:1, 2.
2. Benjamita taranak’i Saoly Mpanjaka sy Jonatana. (1Ta 9:39-43) Antsoina koa hoe Rafa izy ao amin’ny 1 Tantara 8:37.
3. Iray tamin’izy efa-dahy zanak’i Jisy. Toa tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka izy no nitarika Simeonita 500 hiady tamin’ny Amalekita, izay efa nandositra teny an-tendrombohitra Seira. Nalain’izy ireo ny tanin’ireny avy eo.—1Ta 4:41-43.
4. Taranak’i Davida, ary velona taorian’ny sesitany.—1Ta 3:5, 9, 10, 21.
5. Olona ambony tao Jerosalema, ary nanampy an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’i Jerosalema. Zanakalahin’i Hora izy.—Ne 3:9.