Refaima, Lemaka Ivan’ny
Lemaka na lohasaha midadasika any akaikin’i Jerosalema. Toa avy amin’ny hoe Refaima (olona lava be nonina tao fahiny) ny anaran’io lohasaha io. Anisan’ny toerana teo amin’ny sisin-tany manasaraka an’i Joda sy Benjamina izy io. (Js 15:1, 8; 18:11, 16) Tendrombohitra na tandavan-tendrombohitra no eo amin’ny farany avaratra, izay mifanatrika amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Milaza ny lovantsofina fa ny Lemaka Ivan’i Refaima dia ny lemak’i Bakaʽ eo atsimoandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly. Mitsontsorika ilay tany lemaka eo amin’ny 1,5 km eo ho eo, ary mihatery rehefa mihamanatona ny Lohasaha Falehan-driaka el Verd (Nahal Refaʼim).
Notsiriritin’ny Filistinina io tany lemaka io satria mahavokatra (Is 17:5), sady akaikin’i Jerosalema sy Betlehema. (2Sa 23:13, 14; 1Ta 11:15-19) Rehefa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely i Davida, dia nihaodihaody teo amin’ny Lemaka Ivan’i Refaima ny Filistinina. Nanaraka ny tari-dalana nomen’Andriamanitra anefa i Davida, ka nandresy.—2Sa 5:17-25; 1Ta 14:8-17; jereo BALA-PERAZIMA.