Refana
(Refàna).
Andriamanitra kintana noresahin’i Stefana tamin’izy niaro tena teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. (As 7:43) Azo inoana fa ny Amosa 5:26, 27 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no notononiny, mba hanaporofoana fa natao sesitany ny Israely noho izy ireo nivavaka tamin’andriamani-kafa, toa an’i Refana (Kiona). Rhaifan no nandikan’ilay Fandikan-tenin’ny Fitopolo ny hoe “Kiona”, fa Rhômfa kosa no ao amin’ny Baiboly grika nataon’i Westcott sy Hort. Hoy ny fanamarihan’i F. Hort momba ny Asan’ny Apostoly 7:43: “Ilay hoe [Rhaifan] na [Rhefan] no nampiasain’ny LXX ao amin’ny Am 5:26, ary mitovy amin’ny hoe Repa na Refa, anarana hafa niantsoan’ny Ejipsianina an’i Satiorna (Seba) izy io.”—Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Grika Tany Am-boalohany, nataon’i Westcott sy Hort, Graz, 1974, Boky II, fanazavana fanampiny, p. 92; jereo KIONA; MPANANDRO (Moleka sy ny fanandroana tany Israely).