Regioma
(Regiôma).
Tanàna eo amin’ny ilany atsimon’i Italia. Reggio na Reggio di Calabria ankehitriny no anarany. Nijanona tao Regioma ny sambo nandehanan’ny apostoly Paoly, tamin’izy voafonja ka hoentina hiseho teo anatrehan’i Kaisara tany Roma (t. 59).
Eo amin’ny Andilan-dranomasin’i Messine, eo anelanelan’i Italia sy Sisila no misy an’i Regioma. Eo avaratra kelin’i Regioma ny tendron-tanin’i Scylla (amin’ny ilany misy an’i Italia) sy ny ranomodin’i Charybde (amin’ny ilany misy an’i Sisila). Noheverin’ny tantsambo fahiny hoe mampidi-doza ireo toerana roa ireo. Tsy maintsy nandalo teo anefa ilay sambo nitondra an’i Paoly. Iray andro taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao Regioma, dia nitsoka ny rivotra avy any atsimo ary nanosika an’ilay sambo ho tafita soa aman-tsara an’ilay andilan-dranomasina, ka nianavaratra avaratrandrefana hatrany Potioly.—As 28:13.