Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Regoela

Regoela

(Regoèla) [Sakaizan’Andriamanitra (Naman’Andriamanitra)].

1. Zanakalahin’i Esao sy Basemata zanakavavin’i Ismaela, ary ny anaran’i Regoela no voatonona faharoa. Lasa lehibem-poko edomita ny zanany lahy efatra.​—Ge 36:2-4, 10, 13, 17; 1Ta 1:35, 37.

2. Rafozandahin’i Mosesy ary mpisorona tany Midianina. (Ek 2:16-21; No 10:29) Nantsoina koa izy hoe Jetro.​—Jereo JETRO.

3. Gadita rain’i Eliasafa, izay mpiadidy teo amin’ny fokony tany an-tany efitra. (No 2:14) Doela no iantsoana azy any amin’ny andininy hafa.​—Jereo DOELA.

4. Razamben’ny Benjamita iray nonina tao Jerosalema, taorian’ny sesitany tany Babylona.​—1Ta 9:3, 7, 8.