Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehoboama

Rehoboama

(Rehoboàma) [Halalaho ny (Faritanin’ny) Vahoaka].

Zanakalahin’i Solomona, ka i Nama, vehivavy amonita, no reniny. Nandimby an-drainy teo amin’ny fitondrana i Rehoboama tamin’ny 997 T.K. tamin’izy 41 taona, ary nanjaka 17 taona izy. (1Mp 14:21; 1Ta 3:10; 2Ta 9:31) Niavaka i Rehoboama satria izy no mpanjaka farany tamin’ny mbola nitambatra ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely, toy ny tamin’ny andron’i Davida sy Solomona. Vetivety ihany anefa izany, satria taoriana kelin’ny nanaovan’ny Israely azy ho mpanjaka tao Sekema, dia nizara ny fanjakana ka izy no mpanjaka voalohany teo amin’ny fanjakan’ny foko roa, dia i Joda sy Benjamina. Niala tamin’i Rehoboama ny foko folo ka i Jeroboama no nataon’izy ireo mpanjaka, araka ny efa nasain’i Jehovah nolazain’i Ahia mpaminany.​—1Mp 11:29-31; 12:1; 2Ta 10:1.

Fa inona no nahatonga an’io fizarana io? Talohan’io, dia nanatona an’i Rehoboama ny solontenan’ny vahoaka, ka niangavy azy hanaisotra ny fanompoana mafy sasany nampanaovin’i Solomona. I Jeroboama no mpitondra tenin’izy ireo tamin’izany. Nitady torohevitra àry i Rehoboama, ka tany amin’ny zokiolona izy aloha no nandeha. Nanoro hevitra azy ny zokiolona mba hihaino ny fitarainan’ny vahoaka, ka hanamaivana ny fanompoana mafy nataon’izy ireo . Ho hendry sy ho tian’ny vahoaka i Rehoboama raha nanao izany. Tsy nanaraka an’io torohevitry ny olona matotra io anefa izy fa nankany amin’ireo tovolahy niara-lehibe taminy. Hoy izy ireo: ‘Ataovy lehibe noho ny andilan-drainao ny ankikelinao, ampitomboy ny zioga hoentin’ny vahoaka, ary faizo amin’ny karavasy misy zava-maranitra izy ireo fa tsy amin’ny karavasy tsotra.’​—1Mp 12:2-15; 2Ta 10:3-15; 13:6, 7.

Niavona sy tsy niraharaha olona i Rehoboama ka izay no nahatonga ny ankamaroan’ny olona hiala taminy. Ny hany nanohana ny taranak’i Davida àry dia ny fokon’i Joda sy Benjamina, ireo mpisorona sy Levita tany amin’ireo fanjakana roa, ary olona sasantsasany tany amin’ny foko folo.​—1Mp 12:16, 17; 2Ta 10:16, 17; 11:13, 14, 16.

Rehefa nankany amin’ny tanin’ireo nikomy i Rehoboama Mpanjaka sy Adorama (Hadorama) mpiandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana, dia nitora-bato an’i Adorama ny olona, ka maty izy. Ny mpanjaka kosa afa-nandositra. (1Mp 12:18; 2Ta 10:18) Nanapa-kevitra àry i Rehoboama fa hotereny hanaiky azy ny foko folo, ka namory tafika nisy 180 000 lahy avy tamin’ny taranak’i Joda sy ny fokon’i Benjamina izy. Naniraka an’i Semaia mpaminany anefa i Jehovah mba hanakana azy ireo tsy hiady tamin’ny rahalahiny, sy hilaza fa Izy no nahatonga ny fanjakana hizara. Na voasoroka aza ilay ady, dia nifandrafy foana ireo fanjakana roa ireo nandritra ny androm-piainan’i Rehoboama.​—1Mp 12:19-24; 15:6; 2Ta 10:19; 11:1-4.

Nanaraka ny lalàn’i Jehovah i Rehoboama tany am-boalohany, saingy tsy naharitra ela. Nanorina tanàna voaro mafy maro koa izy, ary nasiany tahirin-tsakafo tany amin’ny sasany tamin’ireny. (2Ta 11:5-12, 17) Tsy nivavaka tamin’i Jehovah intsony anefa i Rehoboama, raha vao mafy orina ny fanjakany. Notarihiny ny tao Joda mba hanaraka fivavahana maharikoriko feno fanaranam-po tamin’ny firaisana, ka ireo Amonita fianakaviany avy tamin’ny reniny angamba no nahatonga izany. (1Mp 14:22-24; 2Ta 12:1) Tezitra àry i Jehovah, ka nampirisihiny hanafika azy ireo i Sisaka mpanjakan’i Ejipta sy ireo mpiray dina taminy, tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama. Namabo tanàna voaro mafy maro tany Joda izy ireo. Efa saika azon’izy ireo koa i Jerosalema, raha tsy nanetry tena sy nibebaka i Rehoboama sy ny andriana. Na izany aza, dia lasan’i Sisaka ny zava-tsarobidy notehirizina tao amin’ny tempoly sy tao an-tranon’ny mpanjaka, anisan’izany ireo ampinga volamena namboarin’i Solomona. Nanao ampinga varahina àry i Rehoboama ho solon’ireny.​—1Mp 14:25-28; 2Ta 12:2-12.

Nanana vady 18 i Rehoboama, ka anisan’ireny i Mahalota zafikelin’i Davida, sy Maka zafikelin’i Absaloma zanak’i Davida. I Maka no tian’i Rehoboama indrindra, ary izy no renin’i Abia (Abiama), izay nokasain’i Rehoboama hatao mpanjaka, sady iray tamin’ireo zanany 28 lahy. Nanana vadikely 60 sy zanakavavy 60 koa i Rehoboama.​—2Ta 11:18-22.

Nomen’i Rehoboama fanomezana maro be ny zanany lahy hafa, talohan’ny nahafatesany tamin’izy 58 taona, sy talohan’ny niakaran’i Abia teo amin’ny fitondrana tamin’ny 980 T.K. Nanao izany izy mba tsy hisy hikomy amin’i Abia, rehefa maty izy. (1Mp 14:31; 2Ta 11:23; 12:16) Azo fintinina toy izao ny tantaran’i Rehoboama: ‘Nanao izay ratsy izy, satria tsy tena tapa-kevitra tamin’ny fony manontolo ny hitady an’i Jehovah.’​—2Ta 12:14.