Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehoma

Rehoma

(Rehòma).

1. Lehilahy anisan’ny voatonona anarana voalohandohany tamin’ireo natao sesitany tany Babylona, ka niara-nody tamin’i Zerobabela sy Jesoa tany Jerosalema. (Ezr 2:1, 2) Natao hoe Nehoma izy ao amin’ny Nehemia 7:7.

2. Mpisorona anisan’ireo niara-nody tamin’i Zerobabela. (Ne 12:1, 3) Nampifamadihana ny litera hebreo tamin’ny anarany, ka lasa hoe Harima ao amin’ny Nehemia 12:15 sy ny andininy hafa.​—Jereo HARIMA No. 1.

3. “Lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana” (tao amin’ny Fanjakan’i Persa) izay tao Samaria, hono. Nitarika ny namany hanoratra ho an’i Artaksersesy Mpanjaka izy, ka niampanga an’ireo Jiosy nanorina indray an’i Jerosalema. Nodidian’ny mpanjaka àry ry Rehoma hankany Jerosalema ka hanery ny Jiosy hampitsahatra an’ilay asa. (Ezr 4:8-24) Nentanin’i Hagay sy Zakaria anefa ny Jiosy, tsy ela taorian’izay, ka nanohy an’ilay asa, izay neken’ny mpanjaka ihany ny hanaovana azy rehefa hita ny didy voalohany navoakan’i Kyrosy.​—Ezr 5:1–6:13.

4. Levita zanakalahin’i Bany, ary nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 3:17.

5. Lohan’ny fianakaviana iray taorian’ny sesitany. Nanisy tombo-kase ny fifanekena tsy hivadika amin’i Jehovah izy na ny solontenany, tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 10:1, 14, 25.