Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rekaba

Rekaba

(Rekàba) [Mpitondra Kalesy].

1. Benjamita iray zanakalahin’i Rimona Berotita. Samy lehiben’ny mpandroba i Rekaba sy Bana rahalahiny. Izy ireo no namono an’i Isboseta zanakalahin’i Saoly sady mpandimby azy, ka nitondra ny lohan’i Isboseta tany amin’i Davida, mba hilana sitraka taminy. Nasain’i Davida novonoina anefa ireo ratsy fanahy namono olo-marina ireo.​—2Sa 4:2, 5-12.

2. Kenita rain’i Jonadaba na razambeny. Naman’i Jeho io Jonadaba io. Razamben’ny Rekabita i Rekaba.​—1Ta 2:55; 2Mp 10:15, 23; Je 35:6, 8, 14, 16, 18, 19; jereo REKABITA.

3. Rain’i Malkia na razambeny. Nanampy an’i Nehemia io Malkia io, rehefa namboarina ny simba tamin’ny vavahady iray teo amin’ny mandan’i Jerosalema. (Ne 3:14) Raha ity Rekaba ity ihany ilay No. 2, ny firesahana an’i Malkia dia manaporofo fa tanteraka izay nampanantenain’i Jehovah ny Rekabita ao amin’ny Jeremia 35:19.