Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reny

Reny

Mitovy amin’ny feo tsotra indrindra sy voalohany tononin’ny zazakely ny fanononana an’ilay teny hebreo hoe ʼem (reny), toa an’ilay hoe ʼav (ray) ihany. Ampiasaina ny hoe ʼem mba hilazana ny reny niteraka na renikely (Ge 37:10; ampit. Ge 30:22-24; 35:16-19), na razambe satria voalaza fa “renin’ny olombelona rehetra” i Eva vadin’i Adama. (Ge 3:20; 1Mp 15:10) Meter no teny grika nadika hoe “reny.” Manana heviny an’ohatra maromaro ny ʼem sy ny meter.

Nampanantena Andriamanitra hoe ho lasa firenena lehibe ny Israely ary avy amin’ny Israely no hipoiran’ilay taranaka nampanantenaina. Tena te ho maro anaka àry ny vehivavy hebreo. (Ge 18:18; 22:18; Ek 19:5, 6) Noheverina hoe tena voa mafy izay vehivavy tsy niteraka.​—Ge 30:1.

Teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna, dia ‘naloto’ 40 andro (7 ampiana 33) ny vehivavy raha nitera-dahy, fa avo roa heny kosa, izany hoe 80 andro (14 ampiana 66), raha nitera-bavy. (Le 12:2-5) Naloto izy nandritra an’ireo 7 andro na 14 andro ka nandoto an’izay rehetra nikasika azy, eny fa na ny vadiny aza. Mbola naloto izy nandritra an’ireo 33 na 66 andro taorian’izay, saingy ny zava-masina sy ny zavatra nifandray tamin’ny toerana masina kosa sisa no tsy azony nokasihina.

Nampinono nandritra ny telo na dimy taona, ary indraindray aza mihoatra an’izany, ny reny hebreo. Nino mantsy izy ireo hoe natanjaka kokoa ny zanany raha ela vao nosarahi-nono. (Jereo FAMPISARAHA-NONO.) Naka mpampinono ny Hebreo raha sendra maty ny reny na tsy ampy nono. Mety ho zaza efa lehibebe sy nadiva hosarahi-nono àry ireo “zaza madinika sy ny zaza minono” resahin’ny Baiboly, izany hoe zaza efa afaka nandray fahalalana ka afaka nidera an’i Jehovah sy efa azo nampiofanina tao amin’ny toerana masina.​—Mt 21:15, 16; 1Sa 1:23, 24; 2:11.

Hafa mihitsy ny fifandraisana nisy teo amin’ny reny sy ny zanany, satria ny reny no tena nikarakara an-janany mandra-pahatongan’ny fotoana nampisarahany nono azy. Taorian’izay kosa ny ray vao tena nandray an-tanana ny fampianarana an-janany. Neken’ny rehetra fa nanana andraikitra lehibe tao an-tokantrano ny reny. Tsy maintsy nohajaina izy na dia efa antitra be aza. (Ek 20:12; 21:15, 17; Oh 23:22; De 5:16; 21:18-21; 27:16) Mazava ho azy anefa fa mbola ny vadiny ihany no nitana ny toerana voalohany, ka tsy maintsy nanaja sy nankatò azy ilay vehivavy. Nankatò foana an’i Josefa ray nitaiza azy sy Maria reniny i Jesosy tamin’izy mbola kely.​—Lk 2:51, 52.

Raha nanana vady hafa ny lehilahy iray, dia “Neny” no niantsoan’ny ankizy ny tena reniny mba hanavahana azy tamin’ireo renikeliny. Ny teny hoe “zanak’i Neny” no nahafantarana an’ireo mpirahalahy iray ray sy iray reny ary nampiavaka azy ireo tamin’ireo rahalahiny hafa reny.​—Mpts 8:19; Ge 43:29.

Anjaran’ny reny ny nampita ny toromarika sy ny didy tian’ny ray ho fantatry ny zanany. Izy koa no tokony hanamarina raha narahina ny tenin’ny ray. (Oh 1:8; 6:20; 31:1) Ny reny no nitondra tokantrano, ary tsy maintsy nanaiky ny fahefan’ny vadiny izy teo am-panaovana izany. Be atao izy noho izy niteraka sy nitaiza ny ankizy araka ny tokony izy, ka tsy nanam-potoana hifosafosana sy hitsabahana tamin’ny fiainan’ny olona. Voaro foana izy raha mbola niezaka naharitra tao amin’ny finoana. (1Ti 5:9-14; 2:15) Tsy maintsy nikarakara sakafo ny reny nahafatra-po, ary nanamboatra fitafiana sy kojakojam-pitafiana ho an-janany sy ho an’ny ankohonany. Afaka nidera azy teny imason’olona àry ny vady aman-janany.​—Oh 31:15, 19, 21, 28.

Heviny an’ohatra. Vehivavy manampy sy mikarakara ny hafa no dikan’ilay “reny” ao amin’ny Mpitsara 5:7. Nentin’i Paoly toy ny zanany ireo nitoriany ny fahamarinan’Andriamanitra, ka nalemy fanahy tamin’izy ireo toy ny ataon’ny “reny mampinono” izy.​—1Te 2:7; jereo FAHALEMEM-PANAHY.

Mifandray akaiky ny Kristianina satria mpiray finoana, ka entin’izy ireo toy ny reny sy anabavy ireo vehivavy eo anivon’ny fiangonana, ary hajainy amin’ny fahadiovana tanteraka. (Mr 3:35; 1Ti 5:1, 2) Antsoina hoe “zanak’i Saraha” vadin’i Abrahama ireo vehivavy kristianina manambady, izay manahaka ny toetra tsaran’i Saraha.​—1Pe 3:6.

“Avy tamin’ny vovoky ny tany” no nanaovana ny vatan’olombelona, ka azo lazaina hoe ‘renin’izy ireo’ ny tany. (Ge 2:7; Jb 1:21) Lazaina hoe reny ny tanàna iray, ary zanany ny mponina ao. Toy izany i Jerosalema, ilay tanàna nisy ny foiben’ny fitondrana an’ilay firenena manontolo. Azo lazaina hoe zanany ny Israelita tsirairay. (Ga 4:25, 26; Ezk 23:4, 25; ampit. Sl 137:8, 9.) Toy ny reny ny tanàna lehibe ho an’ireo ‘tanàna niankina taminy’ (a.b.t.: zanakavavy). (Ezk 16:46, 48, 53, 55) Antsoina hoe “renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany” i Babylona Lehibe, “ilay tanàna lehibe.”​—Ap 17:5, 18.