FANAZAVANA MAHALIANA
Resin’i Babylona i Jerosalema
TENA niavaka i Jerosalema fahiny, satria izy io no hany tanàna teto an-tany nametrahan’i Jehovah ny anarany. (1Mp 11:36) Tao koa no foiben’ny fivavahana marina. Tao no naorina ny tempolin’i Jehovah, ka azo nantsoina hoe ‘toerana nonenany’ i Jerosalema. (Sl 132:13, 14; 135:21) Tao koa ireo mpanjaka taranak’i Davida no nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, ka nisolo tena azy sy nampihatra ny lalàny.—1Ta 29:23.
Tao Babylona fahiny kosa no foiben’ny fivavahan-diso, izay lasa niely eran-tany. Nisy antony tena lehibe àry matoa navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema nivadika, i Babylona. Lasa nofehezin’ny Babylonianina i Jerosalema, tamin’ny 620 T.K. (2Mp 24:1) Telo taona taorian’izay, tamin’ny 617 T.K., dia nataony sesitany ny ankamaroan’ny mponina tao, anisan’izany ny olona ambony sy ny miaramila ary ny mpanao asa tanana. Norobainy koa ny harena tao. (2Ta 36:5-10) Farany, rava ilay tanàna sy ny tempoly, ary Jiosy an’arivony no natao sesitany.—2Ta 36:17-20.
Tamin’ny 607 T.K. i Jerosalema no rava. Daty manan-tantara ao amin’ny faminanian’ny Baiboly io taona io. Tsy mitovy amin’io ny daty ampiasain’ny mpivaofy teny ara-baiboly maro, nefa io foana no ampiasaina ato amin’ity boky ity. Fa nahoana? Satria ny Baiboly no azo itokisana kokoa noho ny fanatsoahan-kevitry ny manam-pahaizana nandinika takelaka misy soratra miendri-pantsika fahiny. Tsy feno mantsy ny tantara ao amin’ireny takelaka ireny.