Rezona
(Rezòna) [mety hidika hoe Manam-pahefana].
Mpanohitra an’i Solomona Mpanjaka. Zanak’i Eliada izy ary nanompo an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba, izay nakan’i Davida an’i Damaskosy. Nandao an’i Hadadezera anefa izy, ka nitarika andiana mpandroba. Lasa mpanjakan’i Syria i Rezona tatỳ aoriana (tsy voalaza hoe oviana), ka tao Damaskosy izy no nitondra. Nankahala ny Israely izy, indrindra fa nanomboka tamin’i Solomona nivadi-pinoana ka mandra-pahafatin’izy io. (1Mp 11:23-25; 1Ta 18:3-6) Misy mihevitra fa izy ilay Heziona resahin’ny 1 Mpanjaka 15:18. Raha marina izany, dia izy no razamben’ny tarana-mpanjaka syrianina izay nifandray be tamin’ny Israely.