Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ribla

Ribla

(Riblà).

1. Toerana iray teo amin’ny sisin-tany atsinanan’ny “tany Kanana.” Tsy fantatra izay tena nisy azy io.​—No 34:2, 10, 11.

2. Tanàna tany avaratr’Israely “tany Hamata.” (Je 52:9) Maro no mihevitra an’i Ribla ho ilay tanàna rava, eo akaikin’i Ribleh ankehitriny, eo amin’ny morony atsinanan’ny Renirano Oronte, tokotokony ho 60 km any avaratratsinanan’i Balabeka, eo amin’ny lohasaha anelanelan’ireo Tandavan-tendrombohitra Libanona sy Amana (Anti-Liban ankehitriny). Toa nitoby tao Ribla i Farao Neko rehefa avy nandresy an’i Josia Mpanjaka (t. 629 T.K.). Nianavaratra izy tamin’izay satria handeha hiady tamin’ny Babylonianina, izay nifehy an’i Asyria. Maty i Josia, ka i Joahaza no nandimby azy. Nesorin’i Neko teo amin’ny toerany anefa i Joahaza, telo volana tatỳ aoriana, ary nosoloany an’i Eliakima (Joiakima). Nasainy nentina tany aminy, tany Ribla, i Joahaza talohan’ny nitondrana azy ho babo tany Ejipta. (2Mp 23:29-34) Toerana mety tsara ho an’ny toby miaramila i Ribla, sady teo amin’ny lalana nampitohy ny avaratra sy atsimo (i Ejipta sy Eofrata), ary nivezivezen’ny entam-barotra sy ny miaramila. Tsy saro-drano ilay toerana sady mora nahitana sakafo sy kitay teny amin’ny lohasaha sy ny ala manodidina.

Nametraka toby miaramila tao koa ny Babylonianina tatỳ aoriana. Tamin’i Jerosalema mbola natao fahirano tamin’ny faramparan’ny 609 T.K., dia toa avy tao Ribla i Nebokadnezara no nandefa baiko ho an’ireo miaramilany tany an’ady. Mora taminy ny nanafika an’i Damaskosy avy tao, na ny niverina haingana tany Babylona, raha nilaina izany. Rehefa voasambotra i Zedekia tamin’ny 607 T.K., dia nentina tany amin’i Nebokadnezara tany Ribla. Nisy olona ambony hafa koa nentina tany taoriana kelin’izay.​—2Mp 25:1, 5-7, 18-21; Je 39:5; 52:9-11, 26, 27.

Manam-pahaizana maro no milaza fa tokony ho “Ribla” (eo amoron’i Oronte) no ao amin’ny Ezekiela 6:14 fa tsy “Dibla.”​—Jereo DIBLA.