Rihitra
Feta atao hampiraikitra biriky sy vato (ho rindrina, ohatra). (1Ta 29:2; Is 54:11; Je 43:9) Sokay sy fasika nafangaro rano no natao rihitra tamin’ny trano tsara kokoa tany Palestina fahiny, ary nahatanty ny fiovaovan’ny toetrandro ilay izy.
Tsy rihitra mahazatra fa godorao no ‘natao solon-drihitra’ rehefa naorina ny Tilikambon’i Babela. (Ge 11:3) Azo inoana fa loharano tany ambanin’ny tany teo akaikin’ny tanànan’i Hit (teo amoron’ny Reniranon’i Eofrata ary tsy lavitra an’i Babylona) no nakan’ny Babylonianina godorao hataony rihitra, tatỳ aoriana. Godorao mafana ny rihitra nampiasaina rehefa natao ny sisin’ny hadivory sy ny mandan’i Babylona, hoy i Hérodote (I, 179).
Nataon’ny Ejipsianina izay ‘hampangidy ny fiainan’ny [Israelita andevo tany Ejipta], ka nandevoziny mafy izy ireo rehefa nasainy nanao rihitra tanimanga sy biriky.’ (Ek 1:14) Nohitsakitsahina ilay rihitra mba hifangaro sy ho lasa maditidity. Nasiana mololo notetitetehina ilay izy mba hiraikitra tsara. Biriky tany nasiana rihitra tanimanga no nampiasain’ny Israelita hanorenana rehefa tsy nisy vato tsara firy, tany Kanana.